Edito

Iza no vonon-kiasa ?


  • Alakamisy 14 Desambra 2017

Lasa ihany ny eritreritra mahita an-dramalagasy ankehitriny misary resy tanteraka noho ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny fahasahiranana andavanandro vokatry ny resabe ataon’ny mpitondra sy ny mpanao politika tsy mahatonga vary sy laoka any am-bilaniny.

 


 Rafitra iraisam-pirenena izao no namoaka fanambarana fa tsy laharana faha-5 amin’ny firenena mahantra intsony isika fa efa isika mihitsy ankehitriny no gisitra indrindra. Taloha kelin’io moa dia efa karazana fanairana mena ihany koa ny filazana fa toy ireny firenena an’ ady ireny ny fahantrantsika saingy ny mahagaga anefa dia toa tsy rototra isika mianakavy mandre izany fa miha manaiky lembenana andro aman’alina. Enga anie ka ho tena misary resy fotsiny ihany tokoa isika ankehitriny ka manao toy ny rano tony saingy mahatonga samonta kosa rehefa miara-mientana in-dray mandeha. Mila olona vonon-kiasa isika, hoy ilay filoha teo aloha izay, fa tsy lany andro amin’ny resabe. Mampalaza antsika malagasy tokoa ny resaka ary ny mpandinika vahiny aza moa dia mamaritra mihitsy fa firenen’ny kolontsain-teny ny firenena malagasy. Tsy misy maharatsy izany ary tena nentin’ny Ntaolo nandrindrana fiarahamonina tokoa ny Kabary saingy nisintomany lesona nahafahany niara-niasa ihany koa. Iza ary no vonon-kiasa ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT