Edito

Iza no tsy hirotsaka ?


  • Sabotsy 03 Martsa 2018

Sahiran-tsaina ny olom-pirenena teo aloha teo nametra-panontaniana hoe « iza re no hofidiana ee ? » Ireo mpikirakira vaovao moa tetsy an-daniny dia mba velom-panontaniana koa hoe « Iza avy ireo kandida ? ».


Raha ny zava-nisy tato ho ato anefa dia hita ho sady tsy hahataitra ny valalabemandry intsony na ilay fanontaniana voalohany na ilay fanontaniana faharoa. Toa efa ho isan-kerinandro dia milaza fa hirotsaka daholo babay sy lohavohitra. Mba efa nisy nandini-tena ve anefa izy ireo na nijery fitaratra hamantarany izay anjara toerany eto amin’ny firenena sy izay efa vitany teto amin’ity nosintsika ity. Na mpivadika palitao na ireo nalaza ho maloto tanana na ireo malaza ho mpikarama an’ady na ireo nanongam-panjakana izao dinozaoro politika sy olona nipoipoitra tampotampoka rehetra izao toa samy milaza ny hirotsaka hofidiana avokoa ary te ho filoham-pirenena. Iza ary izany re no tsy hirotsaka ee ? Efa mananika ny 30 isa ankehitriny ireo rehetra nanao fanambarana na farafaharatsiny nanao sion-dresaka fa ho isany na mety ho isan’ireo hifaninana amin’ny hazakazaka hahazoana ny seza ao Iavoloha. Raha ny fihetseham-pon’ireo mpanara-baovao na eny anivon’ny fiarahamonina io na any anaty tambajotran-tserasera dia hita ho sady tezitra no sorena kanefa tsikaiky ihany koa indraindray araka ilay filazana hoe firenena hafakely isika satria toa izay zavatra kisampontsampona rehetra tsy hita maneran-tany dia tsy misy izay tsy mitranga eto.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT