Edito

Iza no tena taraiky?


  • Talata 04 Jona 2019

Tsaroana foana ary efa voarakitry ny tantara rahateo moa ny adihevitra nifanandrinan’ny filoham-pirenena ankehitriny sy ny kandida mpifaninana aminy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo.

 

Isan’ny voambolana niteraka savorovoro teo amin’ny mpomba ny andaniny sy ny ankilany tamin’ireny fotoana ireny moa ilay hoe “zoky raiamandreny”. Voambolana izay toa natao hampihetren’ny kandida zandriny ny kandida zokiny nentina nilazana fa efa nilaozan’ny toetr’andro ity kandida nilefitra nanoloana ny tsy fahatomombanan’ny fifidianana tamin’izany ity. Ankehitriny anefa hiara-mahita fa tsy mety tafavoaka mihitsy ilay kandida zandry mirehareha ho “maharaka toetr’andro”. Io ny solika fa tsy mety midina ny vidiny. Na ireo fiara mpitati-bahoaka sasany aza vao avy nampiakatra saran-dalana indray. Mazava ho azy fa miha miakatra tsimoramora manaraka izany koa ny vidim-piainana. Tsy asian’ny filoham-pirenena resaka loatra ireo aloha hatreto fa ezahana takomana amin’ny resaka nosy eparsa izay mbola ho ela raha ho to ny fiatraikany any anaty vilanin’ny vahoaka tsy mandady harona. Mipetraka ankehitriny ny fanontaniana hoe iza no tena taraiky? Ilay zoky raiamandreny tsy sahy nanolo-balala tsy an-tanana ho an-jaza ve sa ilay zandry sahy nampanonofy lalina sy nandika ny teny nomeny sahady toy ny hoe tsy mila mpamatsy vola isika fa ny Ntaolo aza taloha tsy nila izany fa tafavoaka ihany ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT