Manao bemarenina tanteraka momba ny zava-miafin’ny raharaha 7 febroary ny fitsarana ary tsy dia nanamafy fotsiny ny fanamelohana ireo voampanga fa tsy nanadihady ireo zava-baovao nipoitra, tahaka ny taratasy nosoratan’ny kolonely Charles Andrianasoavina, ohatra.
Raha fintinina dia mitantara amin’ny antsipirihany ny fanonganam-panjakana natao teto tamin’ny 2009 io taratasy nosoratan’ny kolonely Charles tany am-ponja io. Nambarany ao fa efa vita planina mialoha sy nomanina ny raharaha 7 febroary ka teny Ambatobe no nanaovana ny fivoriana farany nialoha ny nanatanterahana izany. Olona maromaro no voatonona anarana tao, maro amin’izy ireo no mbola ao anatin’ny fitondrana tetezamita amin’izao fotoana. Valin-teny sadasada anefa no nasetrin’ny minisitry ny fitsarana izany raha nanontanian’ny mpanao gazety izy raha vao nivoaka ity taratasy ity ka nilazany fa mety tsy dia salama saina loatra angamba ny kolonely Charles ka miteniteny foana satria tsy tompon’ny tenany intsony. Dia tsy nihaino na nanadihady ity manamboninahitra ity ihany koa ny fitsarana fa nanao ho toy ny tsy nisy ny taratasy nosoratany.
Mety hanova zavatra maro anefa ny fanadihadiana ity kolonely ity satria maro be ny zava-miafina manodidina ny hetsika notarihan’i Andry Rajoelina tamin’ny 2009 ireny sy ny ampahana miaramila nanohana azy, ka ny tao amin’ny Capsat no lohalaharana tamin’izany. Raha ny fahita any ampitan-dranomasina aloha dia tsy maintsy misy hatrany ny fihainoana na fakana am-bavany ireo olona milaza fa manana vaovao momba ny raharaha iray, ka aorian’ny fanadihadiana ataon’ny mpanao famotorana ihany no hahafahana milaza na mitombina na tsia ny nambaran’ilay olona.
Raha tsikaritra aza fa somary mikorotan-tsaina io olona io dia azo atao tsara ny miantso mpitsabo manokana miara-miasa amin’ny mpanao famotorana. Ny eto Madagasikara moa, indrindra fa tato anatin’izao fitondran’ny FAT izao dia lazaina fa lasa adala tampoka ny olona nanohana sy niara-niasa akaiky tamin’ny tena rehefa tsy mitovy hevitra amin’ny tena intsony. Maro ny mahita fa tsy mitombina velively ny filazana fa tsy salama saina tsara izany ny lietna kolonely Charles Andrianasoavina. Mety manana toetra mivatravatra sy taitaitra ary be fo izy. Raha marary saina izy tsy nisafidy ny hiara-miasa taminy mihitsy i Andry Rajoelina tamin’ireny fotoana ireny. Lazaina fa romotra ny alika rehefa tiana hovonoina. Nahoana no ezahana atao haingana ny fitsarana ny raharaha 7 febroary ary alentika any am-ponja ireo miaramila nambara fa nibaiko na nitifitra ? Nahoana no lazaina fa olon-dratsy sy mpamono olona ary devoly ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ? Nahoana no tsy marisika amin’ny hanaovana fanadihadiana irasam-pirenena momba ity raharaha ity ny FAT fa mamoaka ny porofo rehetra mandetika ny hafa sy manadio azy ? Iza ary no tena mitantara angano : ny kolonely Charles any am-ponja ve sa ny FAT sy ny fitsarany izay manizingizina fa Ravalomanana sy ny olony no tena lian-dra ka namono vahoaka tamin’ny 7 febroary ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.