Edito

Iza no tena fetsy ?


  • Zoma 10 Jona 2016

Misimisy ihany izay resaka sy feo re hatramin’ny fiandohan’ny taona izay milaza fa efa amoron-tevana io fitondrana HVM io ka hirodana tsy ho ela. Ny hita anefa dia io mahatoky tena sy manao vava be etsy sy eroa io ny filoham-pirenena.


Ary tena manome lesona mihitsy ny mpanao politika aza izy. Azo raisina avy amin’ny fanehoan-keviny ihany koa fa nofinofy izany Rajaonarimampianina hametra-pialana izany e ! Amin’ny 2018 mirotsaha raha sahy hoy izy. An-kilan’izay, miezaka ny manambatra hery ireo mpanohitra. Isan’andro ny fikaonan-doha sy fivoriana etsy sy eroa. Don-tandroka avy hatrany koa anefa ny an’ny mpitandro filaminana, manampy tosika tsimoramora avy eo ny mpahay lalàna ka mivoaka avokoa izao voambolana rehetra izao hanazavana ny vesatra iampangana an-dranona sy ranona. Mitan-takolaka fotsiny sisa ny vahoaka madinika, tsy mahatakatra ny tian’ny mpanoratra ambara, dia iny fa mivoaka ilay hoe :ka ry zareo anie izao no eo ka manao izay tiany hatao e ! Efa tena badenin’ny fiainana ary ve Ramalagasy ka tsy mahay manavaka ny vary amin’ny tsiparifary intsony sa mianoka ao anatin’ny fitiavan-tena diso tafahoatra ka tsy miraika amin’izay tanjona iombonana hametrahana fiarahamonina vanona izany. Ny mpandinika fiarahamonina aza fanina. Sarotra faritana ny foto-pisainan’ny Malagasy miaina ankehitriny. Mitovitovy ihany ny ilay rafi-pisainan’ny mpanao politika sy ny vahoaka, saingy itsy voalohany miha bolangina isan’andro satria mahay mamadika ny hafetseny ho harena, ilay faharoa kosa ilaozan’ny harena sy voafetsy isan’andro satria tsy mahita afa-tsy izay eo ambany masony.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT