Edito

Iza no tena be politika ?


  • Alarobia 22 Aprily 2015

Niteny ny fikambanamben’ny Eveka avy amin’ny Eglizy Katolika ary nisarika ny sain’ny rehetra hoe sao lahy ka tafiditra be loatra amin’ny resaka politika ny FFKM amin’ny fanaovana ity fampihavanam-pirenena ity ? Miteraka adihevitra tokoa ity raharaha ity na dia efa nanazava matetika aza izy efatra

 

mirahalahy filoham-piangonana fa tena mampihavana araka ny sitrapon’Andriamanitra no ataon’ny Fiangonana fa tsy manao politika, dia misy ihany ny olona tsy resy lahatra amin’izany. Ary raha ity fanambaran’ny Eveka ity koa no raisina dia manahy ry zareo fa miditra amin’ny raharaha politika ny FFKM. Ny somary manaitra amin’ity raharaha ity dia nifanojo tamin’ny fandraisan’ny Fjkm ny fitantanana ny FFKM ny firongatry  ny fanakianana ny fampihavanam-pirenena tarihan’ny Fiangonana sy ny fifohazan’ny FFM tampoka teo tamin’ny torimasony. Sao lahy ka misy ny politika avo lenta atao any ambadibadika any mba hampandamoka ilay hetsika fampihavanan’ny FFKM dia mody aparitaka ny serasera hoe manao politika ny Fiangonana ka tsy mety. Efa nivoaka ihany mantsy ny feo fa misy mikaroka hevitra mba tsy hahavitan’ny fampihavanana, amin’izay mikorotan-dava i Gasikara ka mora ny mitsentsitra ny harem-be ao aminy. Ka iza ary no tena manao politika amin’izany e ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT