Edito

Iza no sahy velirano ?


  • Sabotsy 10 Martsa 2018

5 taona lasa izay dia nisy fanasana nataona tambajotram-pokonolona iray tamina kandida roa hirotsaka ho filoham-pirenena.

Anton’ny fanasana ny hanolo-kevitra hanovana ny fianianana hataon’ireo filoham-pirenena voafidy eto amin’ny tany sy ny firenena. Efa fantatr’izy mirahalahy angamba tamin’izay fotoana izay ny vontoatin’ilay fianianana ka dia tsy nanotrona izy ireo. Sambany teto amin’ny tany sy ny firenena no nisy filoham-pirenena nanao velirano amin’ny vahoaka. Vao miandoha ilay fianianana dia efa toy izao no voarakitra tao anatiny « Eto anatrehan’ny lanitra sy ny tany, miniana aho fa hanody amin’ny taranako faramandimby ny ratsy ataoko amin’ny vahoakako ! ». Iza ary angamba no tadiavinareo hofatorana amin’izany, hoy ny ao an-tsain’ireto nasaina fa tsy tonga. Azo antoka fa tsy izy mirahalahy irery no tsy sahy miatrika velirano toy izany matoa mbola resabe fotsiny foana fa tsy mety tontosa mandrak’ankehitriny ny fampihavanam-pirenena. Resabe toy izany koa ny hoe mikatsaka ny tombontsoam-bahoaka ny mpitondra sy ny mpanao politika fa raha ny fihetsika sy ny atao dia hampiandry vasoka ny efa ambavahoana eto. Hatramin’ny omby aza mizaka ny tsy eran’ny ainy amin’ny afitsoky ny rafitra misy. Iza no sahy velirano ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT