Edito

Iza no namadika ?


  • Sabotsy 09 Jona 2018

Andeha atao hoe akaiky ny fiafaran’ny fidinana eny an-kianja fa ny tolona dia mbola hitohy saingy amin’ny endriny hafa fotsiny. Lokaloka izany !

Fampanantenana ihany koa ! Ho tonga ihany ity ny fanovana, hoy ny rehetra. Saingy tamin’ny ora farany dia tsy araka izay noeritreretina no nitranga. Ny olom-baovao aloha dia tena vaovao be tokoa ! Mety azo leferina ho marimaritra ihany koa saingy… ! Izy iny anefa dia tsy tao anaty lisitra na dia iray minitra monja tamin’ireo nampanantenaina teny an-kianja. Dindo sarotra alana an-dohan’ireo mpitolona izany na inona na inona fanasana atidoha hatao amin’izy ireo hanerena azy hanaiky fa io ilay hamadika ny tantara ho any amin’ny tena tsara. Ao anatina tolona toy izao, na oviana na oviana, tao anatin’ny tantaram-pirenena dia tsy maintsy niharan-tsoketa hatrany ireo izay namadika palitao. Ny tamin’ity indray maka ity kosa dia fanina daholo ny vahoaka ary niharan’ny fampandriana adrisa indray raha nampanekena fa ilay notendrena ho praiminisitry ny marimaritra iraisana no tokony hoekena na dia tsy nandia na in-dray mandeha teny an-kianja aza. Fanontaniana mipetraka izay mahafanina ny rehetra ankehitriny ny hoe iza no tena namadika ny tolona na koa hoe namadika palitao ? Ireo mbola misafidy ny hitari-tolona eny an-kianja ka manaiky ny praiminisitra vaovao ve sa ireo nitsipaka ity farany ka niala tsy ho anisan’ireo mpitolona intsony ? Hatreto aloha, samy fanina ny rehetra saingy miandry ny an-daniny sy ny an-kilany hanaporofo hoe ny an’iza amin’izy ireo no mitombina kokoa ahafahan’ny rehetra mitsara sy mizotra any amin’ny lalana mahasoa azy ireo tokoa ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT