Mitohy ny tolona ! Izay aloha no fanamarihana voalohany tsy maintsy miainga.
Fanontaniana miara-dalana aminy kosa anefa ny hoe iza no mila sorona rehefa hampifandrohiana ny tantaran’i Madagasikara ? Inona no antony tsy mbola hivoahana fanapahan-kevitra eo anivon’ireo izay tokony hamoaka izany amin’izao ? Miandry ny hiverenana tolona omban-dra mandriaka toy ireo tany aloha indray ve ? Na inona na inona aloha lazaina, na nisy fidinana an-dalambe na tsy nisy dia efa sorona hatrizay ny Malagasy. Sorona tamin’ny fanambakan’ireo mpanao politika sy ny be trafika azy. Sorona tamin’ny fampidanganana ny vidim-piainana sy solika mba hitomboan’ny tombontsoan’ireo mpitondra azy. Toa tsy mahagaga ihany indraindray na dia mahonena aza ny maheno vahoaka manambara hoe “Raha tiana ny hiverenan’ny 2009 dia averinay.” Rehefa mahazo izay ilaina rehetra sy migalabona eo amin’ny sezany ireo mpitondra dia lazainy fa ataon’ny mpanao politika mpanohitra fitaovana sy sorona ireo vahoaka na dia mazava izao aza fa zony no takiany. Nisy nandatsa-dra ankoatra ny fitondrana HVM ve teto hatramin’ny 21 aprily no ho nankaty ? Nisy fitondrana nihoson-dra vao niandoha ka hatramin’izao ihany koa ve ankoatr’izay hita tao anatin’izay 4 taona farany izay ? Iza no efa mazava fa tokony hiala nefa tsy manaiky ihany ? Tsy menatra akory milaza fa efa niezaka nitady fifanatonana sy fifampiresahana kanefa dia manda ny fahamarinan’izany mazava izao ny taratasy nosoniaviny farany. Iza no tena mitady sorona ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.