Raha misy lalampiofanana ifanotofan’ny tanora manana maripahaizana bakalôrea amin’izao dia ny ho lasa mpampivelona na mpitsabo mpanampy.
Mbola malalaka rahateo ny tsenan’ny asa amin’io sehatra io. Dia iny fa maniry toy ny anana ihany koa ireo sekoly mamolavola Paramed misokatra etsy sy eroa, tsy eto an-drenivohitra ihany fa hatreny anivon’ny Distrika renivohi-paritra eny. Ary dia samy manao doka hisarihana ny tanora hianatra sy handranto fianarana ao aminy. Nivarahontsana anefa ny tena nandre ny tatitra nataon’ny teo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamana, mikasika ny vokatry ny fifaninanana handraisana Paramed an-jatony, fifaninanana izay natao ny 22 sy 23 desambra 2015. Efatra tamin’ireo mpiadina niisa 1 357 ihany no nahazo ny naoty notakiana, dia 12/20 isanisany tamin’ireo taranja efatra nanadinana. Namindra fo ny minisiteran’ny fahasalamana sy ny fakiolten’ny fianarana ho mpitsabo niara-nikarakara ny fifaninanana, fa hampidinina ho salanisa ankapobeny 10/20 no horaisina, ka dia nahatratra 421 ireo nahafeno fepetra hiatrika ny fampiharana, ka mitsinjara ho Infirmiera ny 157 ary Mpampivelona ny 264. Dia mipetraka ihany ny fanontaniana amin’ny tranga toy itony hoe iza no hatao sorona eto, ny marary sa ny mpitsabo na mpampivelona horaisina ? Aina sy fahasalamana mantsy no resaka eo !
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.