Edito

Iza no hanetry tena ?


  • Alarobia 21 Jona 2017

An-daniny, ireo mpanohitra ny fitondrana dia tsy mitsahatra ny milaza fa tsy maintsy ravana sy tsy azo ekena intsony izao fitondrana misy ankehitriny izao.

Nanomboka nampanakoako ny faniriana sy hetahetany izy ireo efa ho herintaona mahery izao saingy ny fanontaniana tsy mety misy valiny mazava mipetraka hatreto dia hoe rahoviana ihany ary amin’ny fomba ahoana ? An-kilany, ireo mbola mahita fa mandeha ny raharaha, manga ny lanitra ary dia mbola mendrika ny hofidiana fanindroany hitantana ny firenena indray ny filoha ankehitriny. Ny vahoaka kosa dia ny tarehimarika avoakan’ireo sampandraharaha manara-maso ny fiainany no manambara mazava fa miha mahantra izy ary tsy ny fitondrana ankehitriny irery no nahatonga izany fa ny fomba fanaovana politika ankehitriny. Iza no hanetry tena voalohany hilaza fa aleo politika vaovao sy olon-kafa ankoatra antsika amin’izay no hitondra ny baolina ?

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT