Edito

Iza no hampandroso ?


  • Alakamisy 02 Febroary 2017

Miha mitombo hatrany ny hantsana manasaraka ny mpitondra sy ny entina eto amin’ny firenena ankehitriny.

Efa an-taonany maro izao no ambetin-dresaka tamin’ireo haino aman-jery sy filazam-baovao isan-karazany fa tsy misy intsony ny sokajy antenantenany raha hiresaka ny fari-pananan’ny mpiray monina amintsika. Miharihary toy ny vay an-kadrina koa ny fialangalanan’ny olom-pirenena amin’ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoam-pirenena. Porofo, tsy vitsy izay nohadihadiana izay ka namaly hoe izahay tsy tia politika na koa hoe izahay tsy miraharaha politika. Tsy mahagaga, ny politika nampahafantarina azy sy niainany hatramin’izay dia ny politikan’ny famonoana afo, ny politikan’ny akamakama sy ny hoe anay izao ny tanàna. Rehefa tsy izay dia ny fanaratsiana izay fitondrana nijoro hatrany no lasa lamaody nifandovana nanomboka ny taona 2009 no ho nankaty ary ireo mpitondra koa moa ankehitriny dia zary manaraka ny hadalan’izy ireo amin’ny fanaratsiana ny mpanohitra azy. Fanontaniana lehibe tsy mety mipetraka mihitsy ary ahiana tsy hipetraka intsony ny hoe iza no hampandroso ?

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT