Edito

Iza marina no tokony notsaraina?


  • Alatsinainy 30 Aogositra 2010


«Izay mitifitra dia tsy maintsy miala e !». Betsaka tokoa no minomino an’izany satria hatramin’ny andron’ingahy Tsiranana, nandalo tamin-dRatsiraka sy Ravalomanana, dia nitifitra avokoa ka niafara tamin’ny fialana alohan’ny fahataperan’ny fotoam-piasany. Vokany, lasa atao tetikady ny mamono Malagasy rehefa te hahazo fitondrana ny sasany. Atao mihitsy ny tetika rehetra hahatonga an’izany ka atosika eo am-bava-basy ny olona nefa ny mpitarika tsy hita akory. Izany no midika fa tsy nivonona ny hiditra tao amin’ilay toerana mihitsy izy satria fantany ny mety ho zavatra hitranga.

Raha olona mandinika anefa, dia tokony handalina fa mety efa nisy tetika maty paika ao ambadik’ireny zavatra hitan’ny maso ireny. Samia mahatsiaro anie e ! Tamin’ny 1972 dia ny FRS no nitifitra, tamin’ny 1991 dia ny RESEP ary tamin’ny 2009 dia ny REGAP na Garde présidentielle no voapanga. Raha fehezina dia ireo mpiandry Lapa ary akaikin’ny filoha no mandray ny fanapahan-kevitra, ary antony mitovy daholo, dia ny fiarovana ny Lapa na fananam-panjakana sady mariky ny Repoblika rahateo. Tonga ao an-tsaina avy hatrany ny hoe «fa naninona moa no tonga amin’ireny toerana saro-pady ireny ny olona maro be ?». Lasa aiza ny mpanakana ? Tsy azo naparitaka aloha ve ? Fa nahoana no ireo mpiandry lapa avy hatrany no mifanehitra amin’ny vahoaka ? Raha nahatsiaro ny tamin’ny 1991 isika, dia lalana efa ho fito kilometatra no nandehanana, tsy nisy hevitra mihitsy ve nanohanana azy ? Sa nisy tsy nandray baiko tao ? Tahak’izany koa ny tamin’ny 1972, fa nahoana no FRS no tonga dia nidina an-tsehatra nanoloana ireto vahoaka maro be, nefa ry zareo vitsy ? Ny tamin’ny 2009 aloha dia efa «copie coller» fotsiny e, vao miala tatsy amin’ny kianja ve dia tsy nisy azo natao mihitsy ? Tahaka izao atao amin’izao fotoana izao e ! Vao mitady hivory dia aparitaka.
 
Raha ny lalàna mifehy ny firenena mantsy dia tsotra, tsy misy olon-tsotra afaka mitsofoka faritra mena. Saino kely anie hoe manodidina ny lapa anie ka misy ny banky foibe, miampy ny Trésor. Raha sanatria nisy korontana, tahaka ny inona no sandan’ny fahaverezana ? Tsy sanatria manamaivana ny aina nafoy fa mandalina fotsiny ihany. Tsarovy anie ny «Lundi noir (26 janoary 2009)», navela nanao izay danin’ny kibony ny tsirairay, nefa firy ny olona maty ? Tsy nisy ve ? Aiza ny fitsarana tamin’ireny ? Tsy asiana tohiny intsony ve sa odiana fanina ? Ny fampijaliana nahazo ny mpitarika Fivavahana iray izay tsy nisy tsy nahita, sy ny fitifirana ankitsirano ny iray hafa. Ahoana ny tohiny ? Tsy misy fitsarana ve sa tsy misy sahy mitsara ? Ilay ramatoa mpivarotra boky voatifitra tetsy Ambohijatovo, nanao ahoana ny tohiny ? Ny amin’ilay miaramila misatro-mena nititra ankitsirano teo Anosy, mby aiza ny aminy ? Ny namono nahafaty an’i Richard Andriamanjato teny Ambohijatovo, misy mahalala ve isika ? Betsaka ny fanontaniana tsy misy valiny, tsy momba ny atsy sy ny aroa akory fa miezaka mampijoro ny marina. Raha tsy ny olona maty no diso na ny mpiandry lapa, dia iza re izany e ?
 
Tevez

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT