Edito

Iza ihany no handresy ?


  • Alakamisy 03 Mey 2018

Andrasana indray aloha izay hiseho anio, taorian’ny fanambaran’ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana omaly manoloana ny raharaham-pirenena, izay tena mangotraka amin’izao fotoana.


 Efa karazan’ny malemy tanteraka ny fitondrana, ka tsy hay izay zava-nisy tany ho any ka nisian’iny fanambarana iny. Nisy ihany koa anefa ny hafatra hentitra miantefa amin’ny mpanao politika handamina haingana ny olany. Vao mainka mizotra mankany amin’ny fifandonana mahery vaika indray ve isika amin’izao fotoana izao ka hiverina ny fampiasan-kery ? Ny resaka fifampidinihana sy fanelanelanana hatreto tena mbola sarotra. Ny sehatra iraisam-pirenena sy ny masoivoho vahiny etsy an-daniny mandrisika hatrany ny hisian’ny fifampidinihana. Samy mbola mitazona ny teny nomeny kosa ny an-daniny sy ny an-kilany, ka ny depiote tsy miova amin’ny velirano nataony dia hanao izay hialan’ny filoha. Ny filoham-pirenena ihany koa minia miziriziry fa izy no filoha voafidim-bahoaka, izay toa vao mainka mandranitra ny an-kilany. Toa miverina any amin’ny fifandrangarangana hery tanteraka. Tsy mipetraka ny fifampitokisana raha hiditra amin’ny fifampidinihana, ary mamatotra ny velirano nifanaovana tamin’ny vahoaka sy ny tanjona napetraka ho an’ny andaniny. Mihorohoro ny ho potika tanteraka ihany koa ny paikady sy tetika efa napetraky ny an-kilany, mba tsy hahavery fihinanana, ka dia mbola mitady famonjena hafa ivelan’ny fifanantonana aloha. Tsy tsaratsara kokoa ve raha hapetraka ny fitsipi-dalao mazava sy eken’ny rehetra amin’ny fifidianana, dia eo ambonin’io ringa ara-demokratika io mifampitady e ? Ho hita eo izay tena ho mpandresy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT