Edito

Isaorana daholo marina !


  • Alarobia 29 Mey 2019

Tontosa indray iny ny fifidianana depiote. Miandry ny valin’izany isika rehetra.

 iaraha-nahita ny zava-nisy. Ambany ny taham-pandraisan’anjara ary inoana fa samy manana ny antony na ireo tonga nandatsa-bato na tsia. Ny marina tsy azo lavina aloha dia ilay isika mianakavy tokoa dia samy hizaka izay vokatr’iny tantaram-pirenena napetratsika tamin’ny 27 jolay iny ary aleo tokoa isaorana daholo marina. Isaorana ireo tonga nandatsa-bato satria mbola nampahatsiahy tamin’ny mpiray tanindrazana fa firenena nanaiky ny hiaina ao anatin’izany atao hoe demokrasia sy repoblika izany isika. Isaorana ihany koa anefa ireo izay tsy tonga na dia efa nentanina ihany aza satria mba te haneho angamba izany izy ireo fa tsy azo itokisana ny ankamaroan’ny mpanao politika Malagasy ka mila omena lesona kely hoe ovay ny famindra raha mbola te hanjono vahoaka. Ny tsy azo lavina iray koa anefa dia tonga amin’ilay hiakan’ny kandida ho filoham-pirenena farany teo izay izy ity dia ilay hoe “loza !”. Loza satria krizy hatramin’ny demokrasia ny eto Madagasikara ary miha tsy marin-toerana hatrany ny fitondrana. Ny filoham-pirenena, 25% mahery kelin’ny mpifidy no nandany azy. Ny solombavambahoaka koa izany zara raha hisy 5% eo ho eo no handany azy ireo. Enga anie mba ho firenena miavaka anefa i Gasikara ka na dia eo aza ny tsy fahatomombanana dia hiharan’ny fahagagana izy ka hiarina ihany.

J. Mirija  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT