Edito

Ireo tsara ho fantatra


  • Talata 27 Jolay 2010


Tsy olona vitsivitsy fa tena tambajotra goavana tokoa araka ny nambaran’ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina no ao ambadiky ny raharaha «bois de rose». Toa manamarina ny resabe sy ny tombatomban’ny maro hatramin’izay izany, satria dia voalaza fa misy tompon’andraikim-panjakana ambony ao, misy mpanao politika, misy mpiasan’ny ladoany ary misy mpandraharaha sy mpitandro ny filaminana. Koa dia miandry izao ny rehetra hoe : rahoviana amin’izay ary no hivoaka ny anaran’ireo voasarika rehetra amin’ity raharaha ity, satria efa nanome ny baiko ny amin’ny hampahafantarana ny besinimaro izany anarana mpanao trafika sy afera maizaina izany i Andry Rajoelina ny alahady teo. Fa mandra-piandry izany aloha dia tsara ho fantatra ihany ny zava-misy sy ny tarehimarika manodidina ity «bois de rose» ity. Tsara ho fantatra ary fa nahatratra 36 700 taonina ny «bois de rose» notapahana sy voalaza fa naondrana tamin’ny 2009. Kaontenera miisa 1187 no nitaterana azy ireo, ary dia any Chine no naondrana ny ampahany betsaka tamin’izany. Eritreretina ho manodidina ny 220 tapitrisa dolara ny tetibidin’ireo «bois de rose» na andramena naondrana ireo.

20,5 tapitrisa dolara na 41 miliara ariary no vola miditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana avy amin’izany fanondranana andramena izany. Misy anefa ny kolikoly avolenta amin’ity resaka ity, ka araka ny fantatra dia mahatratra 9,2 miliara ariary ny kolikoly miodina tao anatin’izany tamin’ny 2009. Ankoatr’izay dia maro amin’ireo mpandraharaha ihany koa no tsy mampody ny vola vahiny azony amin’ny fivarotana ny «bois de rose», ka vinavinaina ho manodidina ny 52 tapitrisa dolara na 104 miliara ariary izany vola vahiny sy tafaverina eto Madagasikara izany. Orinasa vahiny lehibe telo mpitatitra entana an-dranomasina no mifampiraharaha amin’ireo pandraharaha amin’izany, ka orinasa Frantsay iray goavana sy efa malaza eran-tany no iray amin’ireo. Mazava ho azy fa misy ihany koa ny banky tafiditra amin’ity raharaha «bois de rose» ity, satria maro ireo mpandraharaha manana petra-bola ao amin’izany banky izany na ihany koa mindram-bola amin’ny banky. Banky eto an-toerana telo no voatonotonona amin’izany, saingy ny iray kosa dia efa somary nihemotra ihany aloha, ao amina banky iray goavana eto Antananarivo no manana ny kaontiny ny olona iray voalaza fa tena matanjaka sy manam-bola tokoa amin’ity fanondranana «bois de rose» ity.

Maro be ihany koa ireo orinasa niforona tato ho ato, izay mirotsaka amin’ny fandraharahana ny «bois de rose», ka maro amin’izy ireo no manana ny foibeny eto an-drenivohitra, ary misy ny anarana fianakaviana matanjaka voatonontonona ao anatin’izany. Avy any amin’ny faritry Marojejy ny 1/3-n’ireo «bois de rose» aondrana ireo, ary avy ao Masoala kosa ny 2/3. Efa nisy hatry ny ela tokoa ny fanondranana ara-dalàna sy an-tsokosoko ny «bois de rose», indrindra fa tany amin’ny faritr’i SAVA iny, saingy nandritra izao tetezamita izao vao tena niroborobo haingana be izany sy nifandrombahan’ny mpandraharaha izany ; ary tamin’ny 2009 ihany koa vao nisy olona sahy niditra tao amin’ny faritra voaaro tao Masoala ary nanapaka tsy am-pisalasalana ny «bois de rose» tao.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT