Edito

Io volabenao io !


  • Zoma 09 Jolay 2010


Tsy mbola milamina tanteraka ny resaka vidin-tsolika satria tsy hanaiky lembenana ary tsy hiaritra ny tsindry bokotra ataon’ny FAT isan’andro ireo orinasa goavana efatra mpanafatra sy mpivarotra solika eto amintsika. Vahaolana maimaika no hita ary narahana fandrahonana ka nanaiky tsy fidiny, araka ny fomba fiteny, aloha ireo mpaninjara solika ireto. Ny tena olana anefa dia ny tsy fahamarinan-toeran’ny Ariary manoloana ny dôlara izay ampiasaina amin’ny fividianana ny solika any ivelany. Tsapa fa niha nahazo aina ity vola amerikanina ity tato ho ato izay, ny antsika Malagasy kosa anefa dia miha mihen-danja. Tsy atao mahagaga izany satria tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fifanakalozana ara-barotra eto, ary tapaka avokoa ny famatsiam-bola. Sempotra, araka zany, ny fanjakana ary tsy afaka ny hanao fandaniana betsaka. Ka inona ary no tena vahaolana maharitra amin’ity vidin-solika ity ? Terena hivarotra solika mora ve ireo orinasa mpaninjara efatra, ka ny fanjakana Malagasy no handoa ny elanelam-bola any amin’izy ireo, izay ilay antsoina hoe «subvention». Nampihatra an’io ny amiraly Ratsiraka nandritra ny Repoblika faharoa, ka ny vokany dia ritra ny volam-panjakana ary niha nahantra ny firenena, tsy maintsy namidy mora avy eo ny Solima.

Azo eritreretina ihany koa ny hampihenana ireo hetra sy haba maro samihafa izay alain’ny fanjakana amin’ireo orinasa mpanafatra sy mpivarotra solika, saingy efa nanambara ireto farany fa tsy dia hanova zavatra firy amin’ny fiakaran’ny vidin’ny solika izany. Mbola mety ho vahaolana ihany koa ny fahitan’ny fanjakana firenena afaka mivarotra solika mora amintsika, saingy sarotsarotra ny hahita izany satria efa ifampitadiavana ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, ka misy mihitsy ny mahasahy mividy lafo. Tena sarotra ny toe-draharaha ary tsy vitan’ny didin’ny be sandry ny famahana ny olana. Hisy ato ho ato ny fanazavan-kevitra ataon’ny fitondrana FAT araka ny tapaka nandritra ny filankevitry ny ministra ny alarobia hariva teo satria tena ain-dehiben’ny firenena ity solika ity. Tsy mbola maintsy hisy ihany koa ny fifampiraharahana amin’ireo orinasa mandraharaha amin’ity sehatra ity. Ho an’izy ireo anefa dia mila manova ny fomba firesahany ny fanjakana fa tsy tonga dia manao don-tandroka isaky ny mihetsika. Ny mpitatitra etsy ankilan’izay dia nanome folo andro mba ahitan’ny fitondrana vahaolana, fa raha dila izay dia mety hiakatra ho 500 ariary ny saran-dalana, ho an’ny eto an-drenivohitra ary azo antoka fa hanaraka tsimoramora an’izany koa ny zotra nasionaly. Ho an’ny olon-tsotra dia tsy maka sarotra izy ireo miteny hoe : «raha efa azo marina ilay vola be avy any amin’ny Sinoa momba ny fitrandrahana vy ao Soalala, dia maninona raha izay aloha no hanentsemana ny banga sy hifampiraharahana amin’ireo mpivarotra solika e !».

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT