Edito

Io ary ilay gaboraraka !


  • Alatsinainy 27 Jona 2016

31 no maty noho ny fanafihan’ny dahalo taksibrosy tany Berenty-Beroroha ny talata 21 jona teo.


 Tsy azo ekena izany ary tsy maintsy handray ny andraikiny ny fitondram-panjakana, hoy ny filoham-pirenena. Dimy andro aty aorian’io, 2 no maty ary maherin’ny 70 naratra noho ny grenady nisy nanipy tao amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Nambara anefa fa tena ho hentitra ny fitandroana ny filaminana ary tena hentitra tokoa aloha ny fisavana ny maraina mialoha ny matso. Fa rehefa nifety ve izany ny vahoaka ny hariva ka efa tsy teo intsony ny manampahefana dia lasa gaboraraka amin’izay ny fitandroana ny filaminana ? Niverina indray mantsy ny herisetra tahaka ny nitranga teny Analamahitsy, roa herinandro lasa izay ary mafimafy kokoa satria nisy ny namoy ny ainy. Efa ho isan’andro anefa no milaza ny mpitandro ny filaminana fa hanao izay mety ary tsy misy atahorana io fetin’ny 26 jona io. Raha nisy ny zavatra natahorana na tsy azo antoka tsara, nahoana no tsy nandraisana fepetra hentitra, toy ny fandravana mialoha ny lanonana ? Na ahoana na ahoana ambara dia nisy tandrevaka tao. Efa fantatra fa maro ny olona mamo, misy ireo mpanararaotra sy mpila vaniny rehefa fety tahaka izao, ny toe-draharaha politika io hita fa tsy milamina tsara io ka nahoana no tsy noraisina ny fepetra rehetra ? Dia mbola mijanona amin’ny toerany ihany izao ireo tompon’andraikitry ny filaminana eto amintsika fa tsy mba misy mahatsapa tena hoe tsy nahavita ny asany ka tokony hametra-pialana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT