Edito

Io ary ilay efa nampoizina


  • Alarobia 04 Novambra 2015

Ampy nahadobo-drano faritra maro teto Antananrivo renivohitra ny orana tsy dia hoe matevina nirotsaka tao anatin’ny 3 andro.Efa miaina ao anaty rano sahady ny ampahan’ny mponina eny Ampefiloha, Anosipatrana atsinanana, Andavamamba.Mazava ny resaka :tsy misy ny lalan-drano, tsentsina noho ny fako izay arian’ny olona manodidina ihany ny tatatra, tampina noho ny fanorenana tsy ara-dalàna na ny fanotofana tanimbary ny lalan’ny rano

 


.Tena ho zava-doza ny hitranga rehefa hijojo andro maromaro ny orana hoy ny mponina amin’ireo faritra iva ireo.Io ilay efa nampozina ary nilazana fa famonoan-tena ho an’ny olona ny manary fako anaty tatatra, vao miha zava-doza ihany koa ny fanotofana tany tsy am-piheverana amin’ireo faritra nisy honahona, na tanimbary na farihy eto Antananarivo satria tsy misy intsony ny lalana ivoahan’ny rano.Efa nisy ihany ny fanadiovana ny tatatra fa tsy tontosa isan’andro izany no ho ny tsy fahampian’ny vola raha ny fanazavana azo avy ao amin’ny kaominina ; tompon’andraikitra koa anefa ny ministeran’ny fanajariana ny tany ka tokony efa hanomboka dieny izao ireo asa tena maika fa tsy andrasana efa tondraka indray ny rano vao mikorapaka amin’ny andro alina ; raha tsy hoe fanahy iniana avela ho dibo-drano mihitsy Antananarivo dia ahilika any amin-dRamatoa ben’ny tanàna daholo ny rihatra avy eo…izay ilay politika maloto e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT