Edito

Iny indray aloha


  • Alarobia 04 Novambra 2020

Iny resaka satro-boninahitra iny indray aloha izany no ivon’ny resaka rehetra eto Madagasikara. Asa hoe mandra-pahoviana?

 

 Ny azo inoana fotsiny dia tsy ho iray na roa andro fa tsy maintsy ho litania sy taralila mandritry ny fotoana maharitra indray aloha izy iny. Ny tsikaritra any anaty fiarahamonina anefa etsy ankilan’izay dia efa sarotra amin’ny ankamaroan’ny mpiara-belona ny tsy ho lasa saina hoe inona indray no anton’ilay serasera niezinezina mombana vakoka hitan’ny maso mora enti-tanana sy efa tsy tadidy intsony tany an-tanin’olona nandritry ny 123 taona ka hiverina eto indray? Tsy sanatria fanamaivanana ny lanjan’ny atao hoe vakoka fa iza tokoa moa no manam-pahalalana ka tsy hahatakatra ny maha zava-dehibe ny atao hoe marika sy tandindona na “symbole”, hoy ny filazan’ny filoham-pirenena azy omaly izay? Saingy eo indrindra ihany koa ny mampametra-panontaniana hoe manana valiny momba ny tena maha zava-dehibe ny kolontsaina raketin’ireny hareny hita maso ireny ankoatry ny hoe “fiandrianam-pirenena” sy ny hoe “ambom-pom-pirenena” ve ny filoha hajaina mamim-bahoaka sy ireo mpiara-miasa aminy sa mba fitaovana entina hisehosehoana, arak’ilay efa mampalaza ny fitondrana ankehitriny, hatrany ilay izy. “folklorisme” moa ny filazan’ireo siantifika izay seho ivelany izay aty amin’ny tontolon’ny kolontsaina sy ny vakoka. Ahoana ny momba ny satro-boninahitry ny mpanjaka Ranavalona I very tamin’ny tetezamita farany teo? Ny momba ireo vakoka may tetsy Antaninarenina? Mbola niteraka adihevitra be ihany koa mba tsy hilazana hoe fanoherana mihitsy ny mikasika ny fikitihana ireo totohabaton’Analakely sy Antaninarenina tamin’ny fotoan’androny. Toy izany koa ny mitranga ankehitriny amin’io resaka kolontsaina Greko-raomanina terena haniry anaty rova io. Fa maninona no tato anatin’ity fitondrana ity irery no nisy karazana adihevitra tsy tokony ho vaky toy izany kanefa dia voatery nanelingelina ireo manam-pahalalana sy ny tany ama-monina? Ny tohin’ilay resaka nosy Malagasy izay tena nandrandraina moa tsy hita popoka fa dia iny omaly iny indray aloha izany no malaza.

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT