Edito

Inona no tanjona ?


  • Alakamisy 24 Aogositra 2017

Tsy azon’ny vahoaka loatra amin’ny ankapobeny ny tanjon’ireo mpitondra sy mpanao politika ary sendika eto amin’ny firenena amin’ireo hetsika mijolofotra lava izao kanefa tsy hanovana paikady ho any amin’ny mahomby kokoa mihitsy.

Miha mahazo toerana ny ahiahy isan-karazany ny amin’ny fiheverana fa mpikarama an’ady politika avokoa ireo manao fihetsiketsehana amin’izao fotoana izao ary omen’ireo mpamatsy miafina ny anjarany ihany hatrany saingy ireo vahoaka kosa etsy an-kilany miha malemy sy fadiranovana ary mijaly. Sao dia vao mainka fanamafisana orina ilay paikady politika maloto novoizina tany amin’ny taona 70 sy 80 hatrany izy ity izay nilaza fa raha tiana ny hijanona mandra-pahafaty eo amin’ny fitondrana dia abadoy ny vahoaka, ampahantrao ary poteho ny sarangan’olona manana ny ampy izay itoeran’ireo manampahaizana sy tia karokaroka. Ny tenin’ny filoham-pirenena tany Antsiranana teo toa hafahafa raha nilaza tamin’ny filohan’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny FJKM fa hirariana ity farany haharitra eo amin’ny toerany fa aoka ho azy kosa ny fanjakana ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT