Edito

Inona no hatao ?


  • Alarobia 18 Janoary 2017

Inona no hatao ? Inoana fa izay ihany no fanontaniana tokony hipetraka amin’izao fotoana mitady hampirodana ny tany aman-danitry ny firenena manoloana ny fahapotehan’ny tontolo iainantsika izao.

Heverina fa efa tonga any amin’ny manakaiky ny faratampony amin’ny fahapotehan’ny tontolo iainana isika amin’izao fotoana izao ary resaka anjorony hatraty an-drenivohitra heno eny an-tsisin-dalana eny ny hoe izay vao hahita kere Antananarivo. Manoloana ny zava-miseho, rakotra Emmoreg ny ivelan’ny kianjan’ny demokrasia eny Ambohijatovo io omaly io. Ny harivan’iny ihany koa dia efa nivory tetsy amin’ny foibeny etsy Ambohijanahary ny hetsika politika iray izay mikononkonona hetsika politika ato ho ato. Izany indray izao no zary lasa petrak’olantsika satria dia lasa ny saina hoe fotoana mbola tokony hifanenjehana toy ny saka sy voalavo ihany ve ny fotoana mandindon-doza ho an’ny rehetra eo amin’ny tantaram-pirenena ankehitriny ? Sa tokony hikaroham-bahaolana sy hitsinjarana ny andraikitra tandrify ny olom-pirenena tsirairay avy hisorohana izay mety ho fahatezeran’ny zava-boary amintsika. Inona no hatao hampitete ny lanitra, hisorohana ny hain-tany, hisorohana izay mety ho faharinganana rehetra. Inona no tokony hatao ?

Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT