Edito

Inona no haloaky ny ampitso ?


  • Sabotsy 10 Jona 2017

Tapitra ny fampiatoan’ny fitsarana ny asany ary nisy ny zavatra maro nambaran’izy ireo nandritra ny fanatsaharana ny asa tao anatin’ny fotoana voafetra. Inona no hiseho aorian’ireny ?


 Nisy nihaino ve ny fanambarana sy ny fitakiana sa dia ny henoy izany ry hazon-damosiko hatrany no valiny avy amin’ny fanjakana be marenina sy tompondakan’ny tsimatimanota ? Nambaran’ny Sendikan’ny mpitsara fa mila miditra am-ponja aloha i Claudine Razaimamonjy ary tsy misy hidiran’izy ireo ny fahasalamany fa ny lalàna no harahina. Mila hampanantsoin’ny fitsarana i Riana Andriamandavy VII satria tsy mbola nanatsoaka ny fitoriany ny mpitsara. Mila mifona ampahibemaso ireo loholona sy depiote ary ben’ny tanàna nanitsakitsaka ny hasin’ny fitsarana. Takiana ireo izay vao misy ny fifampiresahana na fifandaminana. Hahatanteraka izany ny fanjakana Rajaonarimampianina ? Raha toa ka tsy vitany ireo zavatra notakiana ireo dia inona hataon’ny mpitsara ? Hahasahy hijoro hampiasa ny fahefana ananany amin’ny hampiharana ny tany tan-dalàna ve izy ireo, ka na hitombo aza ny hantsana sy ny elanelana eo aminy sy ny fanjakana tsy ho olana ? Manantena ny rehetra fa mba hisy zava-baovao hiseho amin’io herinandro ho avy io, ka hizaka ny saziny ireo fanetriben’ny tany mirehareha amin’ny vola malotony.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT