Edito

Inona no hafenina ?


  • Alakamisy 14 Septambra 2017

Miha manjavozavo hatrany ny raharaham-pirenena ary miala bala ny fanontaniana apetrak’ireo mpanao gazety isan’andro ireo mpitondra. Inona no hafenina ?


 Miha mitombina andro aman’alina koa ankehitriny izay fanontaniana izay, raha ny tsikaritra manoloana ny fihetsika asehon’ireo mpitondra fanjakana izay mametra hatrany ny fanontanian’ny mpanao gazety tsy hahatonga ho tompon-trano mihono ny mpiray tanindrazana aminy manoloana ny raharaham-pireneny. Nahagaga ihany ny nandavan’ny filoham-pirenena haneho hevitra manokana tamin’ny haino aman-jery teny amin’ny Fitsarana avo etsy Anosy omaly na dia hiteny ny fihetseham-pony fotsiny aza mikasika ny fahitany ny tombok’asa nataon’ilay filankevitry ny fampihavanana malagasy. Heverina ho zava-dehibe hatrany eo amin’ny tantaram-pirenena izany atao hoe : « Fianianana » izany kanefa dia tsy mba hanan-kolazaina ve ny filoha ? Ilay fihavanana sy fampihavanana mihitsy ve no tsy ankasitrahana sa misy fanontaniana hafa maro izay mety hahasadaikatra sy hahavalalanina ny hanome valiny marina mikasika azy ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT