Inona no azonao

omena ny firenena ?


  • Talata 21 Novambra 2023

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny tsy fahamarinan-toerana ara-politika, ara-toekarena, ara-tsosialy,

ara-piarahamonina isika ankehitriny. Sanatrian’ny vava toa hoentina any amin’ny fisaraham-bazana noho ny fiheveran’ny andian’olona na andiana mpanao politika sasany ny tenany ho tompony Amperoran’i Madagasikara. Miharihary toy ny vay an-kandrina ny fambolena kolontsaina tsimatimanota, ka na inona na inona mety ho fahadisoana na fandikan-dalàna, dia tsy maintsy leferina sy hikipiana. Nakisakisaka eny an-tsisin-tosy ny Fanjakana tan-dalàna, ny rariny sy ny hitsiny, ny fahamarinana, ny hasin’ny aina, ny soatoavina, zo fototra maha olona,… fa ny didin’ny be sandry no toa mibahan-toerana. Ny setrasetra politika sy fandemen-tsaina no mahazo laka. Tsy finiavana hitsikera, fa tena miakatra hatrany hatrany ny daozin’ny fanjakazakana, ny fanerena ny Malagasy amin’ny loko sy fijery tokana ka na efa asehon’ny maro an’isa amin’ny endriny maro aza ny tsy fankasitrahana an’izany, dia teren-ko masaka tahaka ny voalobo-jaza. Firenena inona no ho vanona sy handroso ao anatin’izao sary politika terena ho ekena eto izao ? Fampandrosoana inona no vanona ao anaty fahefana miorina amin’ny herisetra sy tsy fahamarinana na koa alahelon’ny maro an’isa ? Firenena inona no ho tsara tantana sy hahita mangirana ao anaty fitantanana ambony dia ambony ny endrika kolikoly ? Miharatsy ny toe-draharaha, mihalalina ny tsy fahamarinan-toerana, terena hisotro ny rano tsy tiana Ramalagasy ! Tsy vitan’ny tsetsetra intsony izao fa tena mila ny fandraisan’andraikitry ny isam-batan’olona. Ny fanontaniana mila valian’ny tsirairay dia tsy hoe : inona no antenaiko amin’ny firenena fa hoe : inona no anjara biriky ahafahako manavotra azy ao anatin’izao geja mahazo azy izao ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT