Edito

Inona no atao ?


  • Talata 14 Mey 2019

Efa ho 130 andro izao no nijoroan’ny fitondram-panjakana vaovao. Tokana ny fanontaniana mahafehy ny raharaham-pirenena. Inona no atao? Tsy mety tafainga ny IEM.

 

Maro ireo milaza izany ary izay rahateo moa no hita ho mibaribary. Na ny naheno ny kabarin’ny filoham-pirenena tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena farany teo aza maha lasa saina. Ny zato isan-jaton’ny velirano, hoy izy, no tsy maintsy tontosaina. hatreto aloha izany dia hita ho toa fanodinana saim-bahoaka na ilay antsoin’ny vazaha hoe “diversion” ihany no tena hita ho nisongadina indray tena mitranga. Tao anatin’ny drafitra ve ny fanarenana ny Rova fa indrindra ireny fihetsiketsehana be natao tao anatiny ireny? Ho tontosa tokoa ve ilay hoe fanarenana ao anatin’ny 5 taona izay tsy vita tao anatin’ny 58 taona? Iza amin’ireto telo ireto marina ilay tena ho tanterahana? Ilay ao anatin’ny boky be antsoina IEM ve sa ilay velirano miisa 13? Ity farany moa misy milaza ho fintin’ilay voalaza voalohany teo kanefa rehefa tena dinihina dia toa manakaiky ny programan’ny kandida nifanandrina tamin’ny filoham-pirenena ankehitriny tamin’ny fifidianana farany teo ihany. Dia mbola mamaky ny lohan’ireo vahoaka Malagasy izay efa dontoana araka ny filazan’ny filoham-pirenena azy ankehitriny koa izao ilay antsoina hoe politika ankapoben’ny fitondrana na PGE. Inona koa io, hoy ny mpanara-baovao? Politika sa praograma? Iza amin’ireo 3 ireo izany no tena hifantohan’ny fitondrana ankehitriny ny fanatanterahana azy? Raha samy ho tanterahana daholo dia ahoana ny fandrindra azy? Hatreto aloha izany dia ho toy ny mbola ampahany amin’ireo valinteny ihany no azo amin’ny asa tontosain’ny fitondrana. Izay izany ilay nofy aminy ka dia mbola vao maika hampitombo ny fahatsiahivana ny fitondrana tetezamita sy ny tapimasony indray. Natao ny Coliseum saingy sahirana ireo mpanakanto vao afaka mameno azy. Natao ireo hopitaly manara-penitra fa mbola ahenoana olana ara-pitaovana sy ara-pitsaboana ihany. Dia hanampenana masom-bahoaka ankehitriny koa ve izany ny oniversite manara-penitra tsy hisy mpampiodina atsy ho atsy. Ny Tanamasoandro, ny Miami, ny Ambatondrazaka ho toy ny Parisy. Hanao ahoana tokoa re! Ao anatiny izany rehetra izany anefa dia hita ho takona tanteraka ny tena sosialim-bahoaka ary na dia ny fahatongavan’ilay vary mora hita ho nezahana nanaovana tapimaso tsy ahitana izany aza niteraka resabe ny tsy firindran’ny fitsinjarana azy. Asa na haharitra hatraiza ny fahazakan-dRamalagasy izao seho ivelany lava izao!

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT