Anaty loza tanteraka ny ampahana Malagasy amin’izao fotoana izao noho ny fiantraikan’ny vaninandro fahavaratra. Efa namoizana ain’olona am-polony teto an-drenivohitra.
Efa mihatra aman’aina ihany koa ny any amin’ny faritra avaratry ny Nosy ny fiakaran’ny rano. Ny any amin’ny ilany andrefan’ny Nosy moa dia tena mahazendana sy mampihoron-koditra satria zavatra tsy mbola fahita firy ny fiakaran’ny ranomasina mahazaka vatobe sy nihoatra ny sisin-dranomasina vita rarivato, toy ny ao Mahajanga. Tena ny Malagasy manontolo mihitsy no traboina raha dinihina ny zavatra iainana satria izay tsy lasibatry ny loza voajanahary dia tratry ny fahasahiranana goavana ara-tsosialy toy ny fiakaran’ny vidim-piainana, ny fidangan’ny vidin-tsolika, ny fitotongan’ny sandan’ny ariary, ny tsy fisian’ny hanin-kohanina, ny faktioran’ny Jirama,... Izao no tena ilana ilay fanjakana vaovao, izay nampiseho fa haingam-piasa raha ny hita tamin’ny fianianana tetsy Mahamasina. Dedaka sy niedinedina ery tamin’ilay fiara avo lenta sy anisan’ny lafo vidy indrindra eto ambonin’ny tany, kanefa ny firenena faha-4 mahantra indrindra eto amin’ny planeta tany no entin’ilay filoha vaovao. Mailaka ery nampiseho ireo fiara mpiady homena ny mpitandro ny filaminana hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana, hono, kanefa toa diso tetika ihany fa ity fahantrana sy fahasahiranana tsy hita noanoa ity anie no mampanita-kevitra ny olona hanao ratsy e ! Asa lahy raha mba ho haingam-piasa tahaka ireny sehoseho ivelany ireny amin’ny famahana izao ny fahasahiranam-bahoaka mihatra aman’aina izao. Tsy sanatria maniry loza fa raha ny zava-misy, dia vao fanombohana ihany izao loza mitranga etsy sy eroa amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Dia ho hita eo ny hafitsoka any anatin’ny famahana olana. Raha ny hita tamin’ilay loza nahazo ny mpiray tanindrazana teto an-drenivohitra aloha no jerena dia telo andro taty aoriana vao re fa naneho fiaraha-miory ilay filoha. Miandry asa mivaingana amin’izay ny ambanilanitra fa naka an’io fahefana io sy nanao izay rehetra nandrombahana izany tamin’ny fomba rehetra na madio na maloto tsy nisalasala sy tsy nahalala menatra, ka sao hitaredretra eo amin’ny asa fa dia ho afa-baraka eo e !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.