Edito

Inona ary no tohiny e ?


  • Alatsinainy 08 Jona 2015

Miditra amin’ny herinandro fahatelo ny sangodim-panina politika mahakasika ny fifanandrinan’ny filoham-pirenena sy ny antenimieram-pirenena. Tsy mbola nisy ny fifampiresahana teo amin’ny roa tonta hatramin’izao na dia efa maromaro ihany aza ny antso momba izany.

 

Mety mitandrina ihany koa ingahy filoha satria voararan’ny lalàna ny fifanatrehana mivantana amin’ny filohan’ny repoblika sy ny solombavambahoaka fa dia amin’ny alalan’ny taratasy alefa hovakiana ampahibemaso eny Tsimbazaza ihany no hahafahan’ny filoha miresaka amin’ireto olom-boafidy ireto. Efa tsy ilay didy havoakan’ny HCC intsony no manahiran-tsaina izao fa izay mety hitranga aorian’io ! Raha ekena fa nanitsakitsaka lalàmpanorenana i Hery Rajaonarimampianina ka esorina amin’ny toerany dia ahoana ? Raha ambaran’ny HCC fa tsy mitombina ny fitorian’ny depiote dia hanakory ? Hamaha ny fahasahiranan’ny malagasy ve ny fialan’ny filoha na ny mety ho fandravana ny anatenimieram-pirenena ? Inona koa no mety hitranga eto raha toa ka miroso amin’ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta indray rehefa tsy nahita rirany tany amin’ny fanesorana ny filoha ireo solombavambahoaka ? Mandondona an’i Madagasikara ny krizy politika, samy miseho ho mahavita azy sy be hambom-po ny mpitondra sy ny mpanao politika ka manahirana ny mikaroka ny marimaritra iraisana. Dia ho avy eto indray angamba ny Afrikanina hikarama vola be handamina antsika e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT