Edito

Iniana ampahoriana !


  • Alatsinainy 26 Febroary 2018

Mijaly tanteraka ny Malagasy eo anatrehan’ny fahasahiranana mandifotr’olona zakaina amin’izao. Na vary hohanina aza tsy voavidy intsony noho ny fidangany.

Fampanantenana poak’aty anefa no asesika aminy, ka maro amin’ny tokantrano no efa tsy mihinana in-telo isan’andro intsony. Ireo sokajin’olona manana fari-piainana antonony, efa midina sokajy any anatin’ny sokajin’ny tena sahirana tanteraka. Mbola nahita kajy sy tarehimarika hafahafa mifono fanompana vahoaka ankitsirano indray anefa ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny fiandohan’ny taona teo, fa nidina ho 70% sisa ny tahan’ny fahantrana teto Madagasikara hatramin’ny nitondrany satria 92% izany tamin’ny andron’ny tetezamita. Toa fanohizana ilay nambara tany aloha hoe : « porofoy amiko fa mahantra ny Malagasy ? ». Mitombo indray ny zioga ankehitriny amin’ity resaka vidin’ny herinaratra manodidina ny 80% ka hatramin’ny 100% ity mihitsy aza, saingy tsy dia andrenesam-peo firy ny mpitondra, fa mampanantena ny hitondra vahaolana. Tsy vao izao ny fampanantenana, fa mbola hirarakopana aza atsy ho atsy. Tena hampizogaina ny tsy eran’ny ainy ny vahoaka Malagasy. Hitadiavana hevitra hambotriana sy hampalemy tanteraka azy mba hahafahana mampanaiky azy izay tian’ny fanjakana hatao. Rehefa noana sy malemy na koa voky ny vahoaka, dia tsy hihetsika na hanohitra ny tsy rariny ataon’ny fanjakana. Ao anatin’ilay sokajin’ny noana sy malemy isika izao, ka dia hararaotina. Ny tsy mba sainin’ny mpitondra dia ny hoe: indray mipi-maso, dia ho levona izy rehefa io vahoaka io no mitroatra !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT