Edito

Indro kelin’ny mpandrafitra


  • Zoma 27 Oktobra 2017

Mitodika etsy amin’ny Tanàna Voara Andohatapenaka ny mason’ny rehetra nanomboka omaly hatramin’ny rahampitso.


Ny fihaonamben’ireo Malagasy any am-pielezana any ampitan-dranomasina no tonga ao an-tsain’ny rehetra. Tanjon’ny hetsika moa ny hoe hisian’ny fihaonana sy fifanakalozan-kevitra hahafahana mampandroso ity tanindrazantsika ity. Tsy misy maharatsy izany mihitsy, fa ny indro kelin’ny mpandrafitra, dia mbola maro amin’ireo mpila ravinahitra any ivelany no tsy resy lahatra amin’ny afitsoky ny mpitondra eto an-tanindrazana, ary mety ho izany mihitsy aza no hifindran’ny sasany lasy any ampitan-dranomasina satria tsy manantena fiainana milamina sy mirindra eto intsony izy. Zary fihetsika ivelany sisa ny an’ny mpitondra izany hoe fitiavan-tanindrazana izany, fa ny masaka an-tsaina dia hangoron-karena sy hivarotra tanindrazana. Firifiry moa ny tanin’ny Malagasy no lasan’ny vahiny ny tany, kanefa mangina ny mpitondra? Firifiry ny minisitra na efa avy minisitra na koa olona ambony no miray tsikombakomba amin’ny karana eto amintsika? Eo ihany koa ireo manaiky ataon’ny vahiny tsotr’izao fitaovana hamotika ny Malagasy mitovy aminy ihany satria jamban’ny vola aman-karena. Hirehareha indray ny mpitondra aoriana kely fa nahomby ny hetsika, saingy mipetraka ny fanontaniana hoe hahomby eo amin’ny fikarakarana sa hahomby amin’ny lafiny fampandrosoana? Miandrandra hioty voka-tsoa ny rehetra!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT