Edito

Indrisy mantsy !


  • Zoma 12 Febroary 2016

Mifandimby milaza ny tsy fisian’ny mangarahara tsara amin’ny fitantanana eto Madagasikara ireo masoivoho vahiny.


Nisy ny nanindry mafy ny maha zava-doza ny kolikoly, tao ny nanitrikitrika ny hametrahana ny fitoniana ara-politika. Ny olom-pirenena tsotra indray dia mahatsapa tsara isan’andro fa mafy ny fiainana eto, tsy ampy ny vola karama raisina isam-bolana, maro no voatery manao vadin’asa, izay miteraka faharerahana goavana. Na an-tanàn-dehibe na any ambanivohitra dia mihorohoro ny olona fa feno jiolahy ny tanàna. Toa mahazo aina ery ireo mpitandro ny filaminana manaparitaka amin’ny lakrimozenina ny mpanao fihetsiketsehana an-dalambe sy mandrava ny fitokonan’ny mpianatra, fa raha hiatrika asan-dahalo dia sahirankirana ihany. Mampihoron-koditra ny mandre isan’andro fa nisy vono olona tamin’ny fomba feno habibiana tatsy, nisy fanolanana taroa na hoe mpianaka nifamono noho ny hevitra tsy mitovy. Efa tena tafahoatra ny fahoriana eto Madagasikara, hany ka miha ratsy manarak’izay ny olona ary mahavita zavatra tsy azo eritreretin’ny saina akory. Milaza fa mandray andraikitra ny fanjakana, saingy…tsy hita izay vokatra azo tsapain-tanana ary matoa ny olona miroso amin’ny fitsaram-bahoaka dia efa tsy mahatoky ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana intsony. Mampalahelo anefa fa dia mbola ny seho ivelany sy ny fifikirana amin’ny seza ihany no mahamaika ny manampahefana sy ireo mpanao politika.Indrisy mantsy !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT