Edito

Indrisy !


  • Zoma 08 Aprily 2011

Na dia tsy nisy ady an-trano naharitra nahafatesan’olona an’aliny aza eto Madagasikara dia milahatra amin’ireo firenena miady lava sy rotiky ny adim-poko isika raha ny fahantrana no resahana, araka ny tatitra nataon’ny Firenena Mikambana.

Eo amin’ny fahasahiranan’ny mponina sy ny tsy fanjarian-tsakafo aza dia mbola any aorian’i Haiti, izay ravan’ny horohorontany sy nanjakan’ny krizy politika efa ho folo taona izao sy aorian’i Afghanistan firenena nandalo karazana ady an-trano maro efa hatramin’ny taona 80 no misy antsika. Soa ihany aza fa nisy ny ezaka nataon’ny fitondrana Ravalomanana tamin’ny sehatra maro mba ho fanatrarana ny tanjon’ny taona arivo fahatelo, izay mikendry ny hampihenana ny fahantrana amin’ny antsasany mialoha ny taona 2015, fa raha tsy izany angamba dia asa fotsiny ny nanjo ny Malagasy noho ny krizy. Maro be ny resaka an-jorony sy ny fanakianana ny fitondrana Ravalomanana raha nandrafitra ny MAP hanohizana sy hanatanterahana ireo tetikasa goavana nahazoana famatsiam-bola avy any ivelany.

Teny Ifanomezana 8 no tao anatin’ny MAP raha tsiahivina kely mahakasika ny fanabeazana sy ny fampianarana, ny fotodrafitrasa mifandray, ny fahasalamana, ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fahaiza-mitantana, ny resaka angovo sy ny maro hafa, ary tany am-piandohana dia vola hatrany amin’ny valo miliara dolara no ilaina hanatanterahana azy. Efa nahita ny iray ampahatelon’io ny fitondrana Ravalomanana tao anatin’ny roa taona, saingy maro ihany ireo tsy nino sy nanatsatso fa nofin-gadra no natao ary tsy ho tratra mihitsy ny tanjona napetraka. Mazava anefa ny resaka amin’izao fotoana izao taorian’iny famoahana tarehimarika avy amin’ny Firenena Mikambana iny fa maro be ny zavatra nivaingana vita teo amin’ny lafiny fampianarana sy ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ary ny sehatry ny fahasalamana sy ny fihariana, saingy simba sy nikorontana ny zava-drehetra noho ny krizy, nateraky ny fanonganam-panjakana nataon’i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy tamin’ny 2009.

Ekena mihitsy fa tsy misy ny tonga lafatra, ary olombelona ihany no manao ireny fandaharanasa sy vinavina ireny, saingy tsy azo hodian-tsy hita kosa ny zavatra tsara vitan’ny teo aloha, sy ny hadalana nanapotehana izany nataon’ireo milaza azy fa nitondra ny hetahetan’ny vahoaka sy hanavotra ny firenena amin’ny jadona. Dia iaraha-mahita ny zava-misy iainan’ny Malagasy ankehitriny, fa na dia efa tafiditra ao anatin’ny fararano aza dia mbola lafo vidy ihany ny vary eny an-tsena, mitombo ny sahirana sy ny mahantra, maro be ny ankizy tsy afaka miditra an-tsekoly intsony satria tsy manam-bola ny ray aman-dreny ka voatery tsy maintsy manao asa an-tselika etsy sy eroa manampy azy ireo ny zanany. Ny kalitaon’ny fampianarana moa dia hita fa niha ratsy, miha dondrona ny zaza Malagasy satria tsy mifantoka tsara amin’ny asany ny mpanabe sy ny mpampianatra noho ny fahasahiranana sy ny tsy fananany vola. Mitombo ary tena niakatra ambony ny tahan’ny reny maty eo am-piterahana, mirongatra ny kolikoly, anaran-tsy very sisa ny Bianco fa raha ny tena marina dia efa tsy mahafehy intsony ny zava-misy ity birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly ity. Indrisy fa potika tanteraka ny ezaka rehetra natao tao anatin’ny fito taona, ary tena mbola sarotra ny hanarenana ny firenena noho ny fizirizirian’ankolafy tokana, izay mbola manofinofy ihany fa izy no mahavita azy !

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT