Nirefotra ny basy teny Antanety Atsimo Ambohimanarina, ny harivan’ny sabotsy teo. Nihorohoro ny olona. Mbola manaloka rahateo ny zava-nitranga tetsy Mahamasina nisiana fifampitifirana teo amin’ny zandary sy ny jiolahy. Tsy asan-jiolahy anefa ity fa Tsena Mora. Nisahotaka koa ny teny Manakambahiny teny, io andro io ihany. Mbola resaka Tsena Mora ihany no olana. Santionany ireo, ampy hilazana fa noana ny vahoaka, ka zavatra kely monja dia mampifandramatra ary mampirehitra ny afo. Amin’ny lafiny faharoa indray anefa, ary efa nampoizina ihany izy ity, dia namorona mpanao risoriso vaovao ity Tsena Mora ity. Na ny FAT izay mpikarakara azy aza moa, vao indray mandeha nisokatra fotsiny ny tsena tamin’iny herinandro iny dia vaky vava fa misy sefo Fokontany manao akamakama ao anatin’ity resaka Tsena Mora ity.
Ny mpitondra ankehitriny ihany anefa no nanendry ireo Sefo Fokontany am-perinasa raha ny eto an-drenivohitra rehefa tsy nety hiroso tamin’ny fifidianana izy ireo na dia tsy mitsahatra ny hanatanterahana izany aza ny eny amin’ny Fokontany eny. Natao hanamaivana ny fahasahiranana ny Tsena Mora raha ny fibobobobon’ny dokambarotra momba azy ity. Asa aloha raha izay tokoa no izy, fa raha ny fisehon’ny ankehitriny dia vao mainka hampitombo ny fahasahiranana izy ity, satria sady ho ritra ny vola kely sisa ao amin’ny kitapombolam-panjakana hanohanana ara-bola ny hetsika no fatiantoka koa no miditra amin’ireo entana tsy mandoa haba mivoaka ao amin’ny Port hamatsiana azy ity. Ary izay vao ho tonga amin’ny hoe : in-droa mahita ny maizina toy ny tain’omby natsentsin-davabary.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.