Edito

Hovonoina daholo ?


  • Alatsinainy 11 Novambra 2019

Sarotra hadinoina, hono, ny lasa, indrindra, rehefa izy izay no nandratra hatramin’izao na tiana na tsy tiana.

Na hisy hanasoketa aza hoe tsy mahalala afa-tsy ny taona 2009 rehefa hanazava ny marina momba ny fahapotehan’ny firenena ankehitriny dia ialana hatrany ny tsiny fa izay aloha no voaporofo hatreto fa marina. Nohenjehina fatratra ny filoham-pirenena tamin’izany fotoana fa mpanao ampihimamba ary tsy mitsinjo ireo mpandraharaha madinika. Mety tsy fotoana handisoana na hanamarinana izay filazana izay intsony angamba izao fa andeha ary ny fomba fijerin’ireo milaza azy ho tsy ilaina indray ny mijery ny lasa no hitondrana ny resaka. Iarahan’ny rehetra mahita ary io ny zava-misy ankehitriny. Porofoy ary fa tsy manao ampihimamba ny fitondrana ankehitriny ? Hovonoina daholo ve ny Malagasy na ny eto an-drenivohitra io na ny any ambanivohitra ? Manomboka mitaraina ankehitriny ireo mpandraharaha madinika izay lazain’ny mpitondra fa tsinjoviny fa ho very fitadiavana amin’ity jiro tapaka lava ity satria mila herinaratra ireo asa miankina amin’ny teknolojia. An-drenivohitra izay fa ny any ambanivohitra dia efa mazava io ny fanotofana tanimbary an’arivony hektara sy fanalana mponina etsy sy eroa amin’ny fonenany. Ny olana ara-drano dia itambaran’ny rehetra io na ho an’ny eto na ho an’ny any ambany ravinkazo any. Hamita izay tsy vita tao anatin’ny 58 taona ao anatin’ny 5 taona no nifanarahana kanefa na ny 10 taona tokony ho vita anaty 10 volana aza ity tsy hita izay marina. Sa ve sanatrian’izany hamotika izay tsy rava tao anatin’ny 58 taona ilay nampanantenaina ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT