Edito

Hotsipahana am-bavafo !


  • Alatsinainy 20 Novambra 2017

Mibaribary ny tsy fankatoavan’ny sehatra iraisam-pirenena ny fihetsiky ny fanjakana HVM izay efa mananika ny faha-4 taona nitantanana an’i Madagasikara.


 Mena avokoa ny tondro rehetra, ary anisan’ny nanabaribary izany ny parlemantera Eoropeanina tamin’ny fanambarana goavana nataony. Manjaka ny kolikoly avo lenta sy ny tsimatimanota, tsy misy ny fahalalahana maneho hevitra, manjaka ny kajy politika maloto amin’ny fifidianana,… Toa efa naman’ny voatsipaka sy mbola hotsipahana am-bavafo ny fitondrana HVM, ka tsy atao mahagaga raha tsy mipetraka hatramin’izao ny tena fitokisana iraisam-pirenena. Na inona na inona ambara, tsy afa-miala amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena isika amina lafin-javatra maro, ary toa efa maneho izany fa tsy hankasitraka ny mbola hitondran’ny mpitondra ankehitriny an’i Madagasikara izy ireo. Sarotra kosa anefa ny hanao fanambarana mivantana fa miseho amin’ny fomba firesaka ara-diplomatika avokoa izany. Anisan’ny hisehoany ny tsy firotsahan’ny fanampiana avy any ivelany na misy ihany, fa mitsitaitaika satria atahorana hakepoky ny mpitondra izay efa malazan’ny kolikoly ny vola. Ny resaka fanampiana momba ny fiahiana ny maha olona sy ny sosialy no mety ho mandeha tsy tapaka eto amintsika, fa ny ankoatra izay dia mila mandadilady ny mpitondra ankehitriny vao mba mahazo. Tsy atao mahagaga raha mitady lalam-bola etsy sy eroa sy toa efa manao antoka ny tanindrazana ho sandan’izany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT