Edito

Hotsarain’ny vahoaka amin’izay !


  • Alatsinainy 20 Aogositra 2018

Fifidianana izao no malaza ary efa maro ireo kandida nandrotsaka ny dosieny ankoatra ireo hanatitra farany anio sy rahampitso.


 Papangolahy anaty katsaka ireo ka izay mivoaka iray babany avokoa. Raha ny hevitra dia samy manana ary mitombina fa samy nosoran-dreniny menaka ka tsy hatoro voanjo hadiana raha fampandrosoana ny firenena. Na ny ankamaroan’ireo kandida aza dia nisy ny efa nitondra sy nanana andraikitra teto amin’ny firenena, saingy maro no tsy nisy napoaka fa nanetry ny firenena aza no nataony. Misy nahay nandrodana, nandroba, nandoro ary ny mamotika ny efa nijoro no nataony, avy eo nangorona ny harena rehetra azo naorina, kanefa dia mbola mamita-bahoaka ho Mesia hanavotra ny firenena. Raha ny vola dia samy niomana ihany angamba fa ao no mety manana betsaka, ao ny eo ho eo ihany. Misy ny mety nanana sy manana ny azy madiodio, azo tamin’ny rariny toy ny ny mpanefoefo efa tany amin’ny taona 80-90 izay vao lasa mpitondra fa ao ireo tao anaty fitondrana tato anatin’ny 10 taona no nanangom-bola sy harena mihoapampana. Fa ny mampiavaka azy ity dia hifampitsara eo ny naongana sy ny nanongana ! ??

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT