Edito

Hotsarain’ny tantara !


  • Alatsinainy 04 Desambra 2017

Fiteny zary efa mahazatra ny Malagasy ny hoe : « aleo ny tantara no hitsara » na ny hoe « aleo ho hitan’ny havany eo ».

Tonga any amin’izany isika amin’izao akaiky fifidianana izao, ka dia ny vahoaka no hitsara ireo rehetra mihevi-tena hirotsaka sy mbola hirotsaka hiady izay toeran’ny filoham-pirenena. Mandona ny sain’ny maro sy mampahatsiahy tantara tsy azo kosehina eto amin’ny firenena kosa amin’izao fotoana ny fivoahan’ilay horonantsarin’ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana mitondra ny lohateny hoe “Retourn of a President after a coup in Madagascar”, adika malalaka hoe ny fiverenan’ny filoha taorian’ny fanonganam-panjakana teto Madagasikara. Mety samy nanana ny fahadisoany ny filoha tsirairay nitantana teto, samy nanana ny vina napetrany ary samy nanana ny fampandrosoana nentiny na famotehana nataony. Eo isika no mila mijery ny tantara sy mila mahay mampitaha sy mandanja. Iza no tena namotika ? Iza no tena tsy nampandroso fa vao mainka namarina an-davaka ny firenena ? Iza no tena nivarotra tanindrazana sy namotika ny firenena ? Tamin’ny andron’iza no niaina sy nilamina ny vahoaka Malagasy ary nanana jery lavitra hatrany amin’ny 20 taona lasa ny filohany saingy nopotehina noho ny fialonana sy ny tahotra ny hahatafarina an’i Madagasikara, ka tsy azo atao tohatra fiakarana intsony ? Tsotra ny tiana hahatongavana : aleo handeha ny fifidianana, ataovy madio sy mangarahara, aza asiana sakantsakana sy ady an-kanosana, ka eo isika no hifampitsara.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT