Taratasy hosoka no nitondrana ny ankamaroan’ireo «bois de rose» tratra tany Toamasina. Mpiasan’ny fadintseranana hosoka (mpisandoka) indray no nahafahana nandefa ireo efa tafaporitsaka saingy tratra tao Kaomôro. Zandary hosoka (sandoka) no nandeha nanakan-dalana tao Beronono tamin’ny lalam-pirenena faha-7. Any Toamasina, jiolahy raindahiny no misandoka ho polisy hanavotana ny namany niharan’ny fitsaram-bahoaka. Nitobaka teny an-tsena ny sigara «Good look» hosoka avy Chine. Hosoka no nahafahan’ny Malagasy am-polony maro niala an-tanindrazana mba hiasa any Liban. Varotra hosoka no manjaka eny an-tsena, indrindra amin’ireo sakafo lany daty.
Vao omaly no ho omaly no nilaza ny mpanara-maso ny hena amidy eny an-tsena fa betsaka ny hosoka. Feno mpivarotra hena tsy fanta-piaviana eny rehetra eny. Tato anatin’izao krizy nateraky ny fandrombaham-pahefana notarihin’i Andry Rajoelina, izao no nampirongatra ny hosoka. Hany ka mialokaloka any amin’ny fiarahamonim-pirenena ny mpanao politika, ary mitsabaka ny asan’ny antoko politika ny fiarahamonim-pirenena. Feno hosoka ny tanàna.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.