Edito

Ho very amin’ny … hery


  • Zoma 22 Desambra 2017

Raha misy ny atao hoe : “hazo amoron-tevana”, isika Malagasy indray dia efa eny amin’ny sisin’ny hantsana. Ny foto-tsakafo andavanandro mihitsy no ataon’olom-bitsy kilalao sy fihinina mba hampiakatra hatrany ny vidiny. Izao dia efa mananika ny 3.000 Ariary ny kilao ary misy aza maminavina fa raha izao no mitohy dia mety hiakatra 4.000 Ariary atsy ho atsy.

 Tsy vitan’izay fa ny fanafarana vary avy any ivelany hamenoana ny tsy ampy amin’ny vokatra eto an-toerana dia mbola ny vahiny indray no mibahana an’izany. Aiza ve ka olona mizaka zom-pirenena avy any ivelany no mibahan-toerana ary dia mampiditra karazam-bary izay efa lo sy momoka eto, dia kasaina hamidy sy hampihinanina ny Malagasy. Izany ve tsy fanampozinana tsotra izao? Ny mahazendana dia ny fahitana an’ireo manampahefana sasany ho tsy miraharaha izay manjo ny mpiray tanindrazana aminy. Asa ve efa zatra nivarotra ny mpiray ra tahaka ny fahagola ? Raha ny vahiny anie, faly izy mahita ny Malagasy ripaky ny areti-mifindra amin’izay afaka maka ny tanintsika sy migoka an’ireo harena tsy hita pesimpesenina misy eto amin’ity Nosy foin’ny Zanahary ho an’ny Malagasy ity e.

Izay ireo manam-pahaizana sy avaram-pianarana Malagasy ray sy reny toa tsy ahitan-teny? Efa ho fatin’ny hanoanana ny mpiray firenena. Raha ny mpanao politika fotsiny no andrasana dia toa miandrandra an’i…Paoly.

Ho very ny Malagasy raha izao no mitohy ary ilay hery vaovao nandrasany nandritra ny efa-taona toa lamokany fotsiny sy toa mievotrevotra faona.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT