Edito

Ho tonga anie ny fahagagana !


  • Zoma 12 Martsa 2021

Ny omaly ihany no anio ho an-dRamalagasy rehefa mandinika ny raharaham-pirenena eto amin’ity Madagasikarantsika ity.

 Efa ohatra avy any ambony ny fahasarotana miala amin’ny mahazatra mba tsy hilazana hoe tsy fahafoizana ny fahalovana nahazatra. Milona ankehitriny ny olana sendikaly isan-karazany eny anivon’ireo orinasam-panjakana. Efa olana tsy voavahan’ny teo aloha io saingy tamin’ity fitondrana ity angamba no naharitra indrindra ny fitokonana hatramin’izany antsoina hoe mpanara-maso ny asa izany. Na dia maneho ny hetahetany fa te hiaina anaty tontolo voajanahary amin’izay tsy hisy arotava intsony aza ireo olompirenena sasany toy ny fiarahamonim-pirenena dia somary mahagaga ihany ny antony hanoheran’ny mpitsabo sasany izany. Ilay dokotera malaza iray eto amin’ny firenena hatramin’ny nisian’ity valanaretina malaza ity mihitsy no niteny fa heveriny ho tsara raha tohizana ny fanaovana arotava satria tsy ilay Covid 19 ihany no resiny fan a ireo aretina hafa koa aza. Mety ho marina amin’olona sasany izany fa tsy voatery ho marina amin’olon-drehetra, hoy ny fanazavan’ireo siantifika hafa koa anefa. Tsy ho resena tanteraka mihitsy ve izany ity aretina ity fa toy ny zara aza, sanatria, miha mirongatra toy izay hita ankehitriny indray? Tsy ho resena tanteraka mihitsy koa ve ity fiakaran’ny vidin’entana ilaina andavan’andro sy fiainana ity fa ho zarina amin’ny tolotolotra sy izay heveriny ho fitserana amin’ny tsaky popy taloha niofo ho kaly tsinjo foana ny vahoaka? Hajanona ho tandra vadin-koditra ve ny fitavandrana famatsiam-bola avy any ivelany na lafiny sosialy io na fahasalamana na inona na inona? Mbola mino ve izao fitondrana izao fa izy no ho mpamatsy vola an’i kaomoro atsy ho atsy na hahatonga ity firenena ity hatanjaka indrindra mandra-pifaran’ny taom-piasany ? Ho tonga anie ny fahagagana!

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT