Mety ho fantatra ato anatin’ny herinandro indray, araka ny fanambarana nataon’ny filohan’ny FAT, ny anaran’ireo olom-baovao hanampy isa ny mpikambana eny amin’ny Kongresy (CT) sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST).
Tsy voatery hiandry ny mety ho fanapahan-kevitra hivoaka amin’ny fivoriana tsy ara-potoan’ny SADC amin’ny 20 mey ny fanohizana ny asa eto an-toerana, araka ny nambarany, satria isika Malagasy no tompon’ny teny farany amin’ny fandaminana ny krizy. Dia efa misomebiseby daholo indray ny etamazaoro politika isan-karazany eto an-toerana ho amin’ny fanolorana anarana. Tsy mbola fantatra mazava hoe hitombo firy ny isan’ny mpikambana ao amin’ny Parlemanta, fa ny azo antoka aloha hatreto dia tsy maintsy hisy ny toerana ho an’ny ankolafy rehetra, indrindra fa ireo tsy nahatafiditra ny solotenany tao amin’ny governemanta. Andrasan’ny maro ihany koa ny mety ho fihetsik’ireo mpanao politika avy amin’ny Ankolafy 3. Tsy mbola miova amin’ny heviny ve izy ireo ka hanohy hatrany ny olona eny amin’ny Magro mandra-pahatanteraka ireo fitakiana fototra tahaka ny famoahana ny gadra politika sy fiverenan’ireo nanao sesitany ny tenany rehetra eto, sa hisafidy ny hiditra ao anatin’ny rafitra ka hisintaka amin’ny ankolafy niaviany ?
Raha ny fahitana azy mantsy, tsy mbola hanaiky mihitsy ny rafitra mijoro ireo filoha telo mirahalahy mitantana ny Ankolafy 3 ka hitsipaka avy hatrany ireo olona misalotra sy mampiasa ny anaran’ny Ankolafy 3 ka hiditra ao amin’ny parlemanta. Mandeha ny feo fa dia misy amin’ireo avy amin’ny mpanohitra mety hahazo toerana eny Tsimbazaza sy Anosikely, ka hanara-dia an-dry Raharinaivo sy ry John Ralison. Iza indray ny manaraka ? Ny mahalasa fisainana ny maro, indrindra ireo tsy mankasitraka izao fitondrana tetezamita izao, dia ny paikady avy any amin’ny Ankolafy 3 hanoherana ny hetsika ara-diplaomatika ataon’i Andry Rajoelina izay nanamafy fa mbola hihaona amin’ireo filoham-pirenena ao anatin’ny SADC mialoha ilay fivoriana ny 20 mey. Raha tsy misy ny hetsika hanaovana lobbying tahaka izany ataon’ny ankilany dia azo antoka fa hahazo rariny ihany ny FAT ka dia ho maty momoka ny tolona natao nandritra ny roa taona mahery, ary mbola ho tavela any an-tsesitany any ireo filoha teo aloha mirahalahy. Efa hiditra amin’ny faha telo taonany izao ny fitondran’ny Fahefana avon’ny tetezamita, ary efa maro ny zavatra nitranga tao anatin’izany. Mety efa nahazo lesona ihany koa ny FAT ka nanova ny fomba famindrany, indrindra fa amin’ny fifandraisana amin’ny SADC.
Tamin’ny 2009 tokoa mantsy dia i Andry Rajoelina mihitsy no nilaza fa hiala ao amin’ny SADC isika fa tsy mahazo tombontsoa ao no sady manakorontana antsika fotsiny ity fikambanana ity. Ankehitriny anefa dia hita ho namitram-pihavanana tamin’ny mpitarika ao amin’ny SADC i Andry Rajoelina ary manao izay tratry ny heriny handresena lahatra azy ireo fa mandeha araka ny tokony ho izy ny raharaha eto Madagasikara ary tokony hampian’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny fikarakarana ny fifidianana isika. Mila matanjaka, araka izany, ny paik’ady politikan’ireo mpitarika ny ankolafy, satria raha matoritory na varimbariana izy ireo dia ho tavela irery eo, dia mety hifanesisesy hiditra tsimoramora ao anatin’ny rafitra tetezamita ihany ireo mpanao politika miara-dia aminy noho ny fahitana fa mitady hahazo rariny amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany ny FAT.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.