Edito

Ho tanteraka tokoa anie izany !


  • Sabotsy 16 Aprily 2016

Miditra amin’ny andiany faha-3 ny fifampidinihana eo amin’ny vondrona eoropeanina sy ny fanjakana Malagasy


Tsy dia tena nahitam-bokatra ny roa voalohany natao teny Iavoloha sy Ivandry. Hita ho mbola lavitry ny afo mantsy ny kitay amin’ny fanajan’i Madagasikara ireo fepetra napetraky ny eoropeanina tahaka ny hoe : ady amin’ny kolikoly, fanjakana tsara tantana, fanajana ny zon’olombelona. Na izany aza anefa dia nosoniavina ihany ilay fanampiana ara-bola mandritra ny 5 taona amin’ny alalan’ny FED-11, mitentina 518 tapitrisa euros izy io. Tolagnaro indray no nampiantrano ny fihaonana omaly. Noresahana tao fa atao maodely amin’ny asa fampandrosoana iny tendrony farany atsimon’ny nosy iny, apetraka any rahateo ny Zone économique spéciale, iaraha-miasa amin’ny Maorisianina. Ny any atsimo izay ifantohan’ny fanampiana sy fanohanana avy amin’ny vondrona eoropeanina ary tena mbola tokony hanaovana ezaka amin’ny resaka fampandrosoana, hoy ny masoivohon’ny vondrona eoropeanina eto amintsika. Maro izay resaka izay, enga anie ka ho tanteraka tokoa ny asa ary tena hisy ny fiantraikany mivantana amin’ny fiainam-bahoaka fa efa tena reraky ny manantena tsy misy ny Malagasy ary leon’ny fampiesonana ataon’ny mpitondra. Tena misy harena eto fa na tsy voatrandraka araka ny tokony ho izy na hanjakan’olom-bitsy ka mila manitsy haingana ny fomba fiasa ny governemanta ary tokony ho sahy mijoro miady amin’ny mafia sy miaro ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy…raha tena hanao zavatra tokoa.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT