Edito

Ho sorona eto indray !


  • Zoma 05 Oktobra 2018

Tsy milamina ny tany ama-monina, ary tsy maniry loza fa toa mandindona ny loza ho an’ny firenena amin’izao.

 

Ny hamisavisana ny ratsy hiavian’ny soa, saingy raha ny zava-misy ara-politika dia aleo ihany miomana sy mailo fa mitady ho ratsy izy ity. Manomboka manangasanga sy miseho masoandro ny tsy fitovian-kevitra mahery vaika. Manomboka mamondron-kery ireo kandida filoham-pirenena sasany mihevitra sy milaza ho mahita zavatra tsy mangarahara. Misy ny efa milaza ankolaka na mivantana ny tsy fahatokisany ny rafitra mpikarakara ny fifidianana, toy ny fahatsapana fa misy ny kandida heverina fa kotrehina homena tombondahiny manokana. Mandeha ny vaky bantsilana momba ny lisi-pifidianana izay misy fanilihana ny zon’ny olom-pirenena tsy hifidy, ary misy ny fanabontsinana ny isa any amin’ny faritra mora hanambakana vahoaka, hoy ny kandida sasany. Ny mahagaga aloha dia mangina sy tsy re feo firy ireo rafi-panjakana voatonontonona, izay manaiky ny fahadisoana matoa tsy miteny sa efa milamindamina sa efa nivarotra fanahy ka tsy te hiraharaha izay menomenona any intsony ? Raha izao aloha no mitohy sy tsy voalamina dieny aty am-piandohana, dia azo antoka fa hikorontana ambony ambany ity tany ity. Ny tombontsoam-bahoaka no atao tsianjery maimbo ambara fa ambony indrindra, fa ny finiavana hitia sy hanarina ny firenena aloha, dia isaina amin’ny rantsan-tanana ireo mpanao politika tena manana izany fitiavan-tanindrazana izany. Na hatao tohatra fiakarana na hatao sorona hatrany amin’ny krizy politika ny valalabemandry e !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT