Edito

Ho sitrana tokoa anie !


  • Zoma 19 Jona 2020

Tsy ny aretina toy ny tazo mahery, ny dengue, ny COVID 19 sy ny aretim-batana rehetra ihany ankehitriny no mahazo sy hatrehin’ny Malagasy.

 

 

 

Maro amin’ireo fitarainana isam-paritra isan’andro aza dia ny hoe ny hanohanana no tena mamono ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Antony dia satria ao ny tratry ny aretin’ny tsy fisian’asa sy ny tsy fananam-bola. Miha mararin’ny fahantrana ny ankamaroan’ny Malagasy satria an-dalam-pitotonganana any amin’ny fara-hantsana ny toekareny, raha ny ankamaroan’ireo tondro no jerena. Na orinasa madinika na orinasa vaventy dia samy mandalo fasahiranana vokatr’izao krizy ara-pahasalamana izao avokoa. Na ireo antsoina amin’ny fitenin-jatovo hoe bizina eny an-tsisin-dalana aza moa misy ketoka ihany koa. Kioska sy tranombarotra madinika avy no hitan’ny mpanapa-kevitra ho trongisina anaty ahamehana sy krizy ho an’ireo faritra sasantsasany. Ao ireo mitaraina ho tsy maintsy esorina amin’ny toeram-ponenany kanefa mbola tsy mahita izay ho asiany ny lohany akory satria tsy mbola noneran’ny fitondrana ny sorona nasaina nataony nohon’ny voalaza fa “tombotsoam-bahoaka”. Ahitana aretina daholo ny vatana, ny sosialy, ny toekarena ka asa aloha iny vatsim-pananganana ozinim-panafody tonga omaly iny raha ahasitrana izany rehetra izany! Toa tena ifantohana be ilay izy sy ireo zavatra hafa tsy tena maharesy lahatra fa hipaka mivantana any amin’ny fiainam-bahoaka sy ny aty vilaniny, hoy ireo mpandinika izay. Averina ihany hoe tena laharam-pahamehana ve, ohatra, io fotodrafitrasa atao anaty rovan’Antananarivo io? Toy izany koa ny kianja Barea sy izay heverina hanome endrika mamiratra ivelany ity firenena feno vahoaka mahantra ity? Enga anie mba ho tandindona hitondra fahasitranana marina ihany na izany aza ny zava-nisy omaly ka mba ho sitrana tokoa anie ity firenena malalantsika ity !

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT