Edito

Ho sarotra ny fandidiana !


  • Sabotsy 18 Aprily 2020

Hotohizana sa hofaranana ny fihibohana? Io no fanontaniana apetraky ny rehetra amin’izao fotoana izao.

 

 Andrasana ny fanapahan-kevitra avy amin’ny fitondram-panjakana tarihin’ny Filoha Rajoelina. Ilay Hamehana ara-pahasalamana aloha efa raikitra indray . Dia ahoana ny ho tohiny? Sarotra ny safidy ho an’ny fanjakana. Raha tarafina amin’ny fitombon’ny olona voa aloha, izay midika fa tsy voafehy ny valanaretina, dia mizotra amin’ny fanohizana ny fepetra rehetra efa nisy ary hamafisina aza. Raha mijery ny lafiny ara-tsosialy sy ara-toekarena anefa, dia tena mijaly sy sahirana ny vahoaka tsy ankanavaka. Izay vahaolana avy amin’ny fanjakana tsy mandeha amin’izay laoniny, ary ahitana savorovoro. Maro no tsy te hahalala izay fihibohana sy fepetra any intsony, fa miezaka ny mitady vola. Hofan-trano, sakafo, ekôlazy,… dia tsy misy tonkotaniny. Ny vatsy avy amin’ny fanjakana mety andro vitsy monja no vitany ary olom-bitsy no misitraka, kanefa efa iray volana izay no nampiharana ny fihibohana. Ny fitondram-panjakana etsy ankilany miezaka manao serasera fampalazana tena, fanomezana toky fa hitsinjo ny vahoaka. Iray volana tsy voalamina sy tsy voarindra ihany ny fitsinjarana ireo fanampiana. Toa milalao saim-bahoaka amin’ny serasera hafahafa. Isika Malagasy, hono, no hanavaotra an’izao tontolo izao amin’ity areti-mandringana ity. Mahafinaritra ny eritreritra, tsara ny vina. Ny zavatra tsapa anefa, dia lasa alohan’ny omby ny sarety. Toy ny kabary politika fanao hatrizay rehefa propagandy anefa no re sy hita. Fampanantenana lava, fampandriana adrisa sesehena,… Vita hatramin’ny famoronana horonan-tsary milaza fa efa nahita fahitana momba ny areti-mandripaka maneran-tany ny vehivavy Brezilianina iray tonga teto Madagasikara. Mety hitombina io, kanefa mety tsy hitombina ihany koa. Toa lasa natao handokandokafana be fahatany ny filoha anefa ilay izy, ary toa voizina ny hoe: I Andry Rajoelina no toa ho lasa Mesia hanavotra izao tontolo izao. Ny fitantanana ny firenena aza anefa tsy mandeha amin’ny laoniny, ny vahoaka Malagasy miha ory andro aman’alina. Tsara ny manonofy, saingy asa fa tsy kabary no ilaina. Vokatra azo tsapain-tànana aloha izay vao afaka mirehareha sy tokony hanao serasera manaka-danitra, ary tsy adala ny Ntaolo Malagasy nilaza hoe: ny valala tsy an-tànana tsy atolo-jaza.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT