Edito

Ho sangany amin’ny inona marina ?


  • Alakamisy 11 Jona 2020

Raharaha nafana teto amin’ny firenena ny tetikasa fananganana ny tanàna vaovao Tanamasoandro, izay nisiana fifanjevoana tamin’ireo mponina.

 

 Tsy nahomby ny serasera sy ny paikady, hany ka natsangana hatramin’ny Minisitera misahana ny toeram-ponenana sy ny tanàna vaovao. Rehefa mihaino ny resaky ny mpitondra aty aoriana, dia nisy ny hoe mbola miandry fanadihadiana ara-tontolo iainana. Vao tsy ela indray ny hoe miato aloha noho ny kajikajy amin’ny fandaniam-bola be amin’ny fanotofana sy ny olana amin’ny fandresen-dahatra ireo tompon-tany efa ho iray alina isa. Ny mahagaga dia toa lasa alohan’ny omby izany ny sarety teo aloha satria ny hanototra no nahamaika sy efa niteraka fifandonana. Ny hoenti-manana toa mbola baraingo hatramin’izao. Toa hita taratra amin’ny fomba fiasa hatramin’izay io. Mirarakopana ny fampanantenana, ary toa mbola miaina anaty vanim-potoanan’ny propagandy izany isika indraindray. Hanao an’izao sy izao ngeza indrindra aty Afrika isika, hanangana an’izatsy sy izaroa,… Tena miezaka mametraka tandindona ambara fa fampandrosoana, izay miteraka lonilony ny sasany. Ny olona miezaka mandrodana ny tandindon’ny fanandevozana sy ny fifandatsahan-drà fahiny, fa isika toa manangan-javatra mitovitovy endrika amin’izany. Eny, misy tokoa aloha ny mitsangana, fa misy no nijanona ho kabary. Zava-dehibe ny finiavana hanangan-javatra, saingy ny manahirana dia ny hoe: tena tandindon’ny fandrosoan’ny Malagasy tokoa ve sa finiavana hanao zavatra talaky maso mba hipetraka ho fahatsiarovana ny anaran’ny mpitondra iray? Fa inona no atao hoe fandrosoana ho an’ny vahoaka ary inona ho an’ny mpitondra fa toa samy manana ny azy? Raha ho an’ny isam-batan’olona mantsy, dia milamina ny asa fivelomana, manana ambim-bava, afaka manangan-javatra, mirindra sy mivoatra ny asa fihariana, afaka mitsabo tena ara-dalàna, mandry fahalemana, zaka ny vidim-piainana,… ka asa raha mifanaraka amin’izany ilay ambara fa fandrosoana ventesin’ny mpitondra antsika ankehitriny? Sao dia lasa alohan’ny omby tokoa ny sarety?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT