Edito

Ho rendrika ny sambo


  • Sabotsy 06 Mey 2017

Misahotaka tanteraka rehefa jerena avy ety ivelany ny fiainana ao an-dapa ao.

Taratry ny tsy fifanarahan-tsain’ny samy mpitondra ny nahita mpanolotsain’ny praiminisitra tamin’ny herinandro lasa izay namaky bantsilana ny tsy fetezan-javatra maro ao anatin’ny fitantanana ny firenena tamin’ny alalan’ny fanazavany ny tsy filaminan’ny resaka fitrandrahana harena ankibon’ny tany ao Ilakaka ao. Vao tamin’ny alakamisy koa anefa dia mpanolotsain’ny filoha mihitsy no sahy nanazava fa betsaka ny lesoka amin’ny fitantanana ny orinasa mpamatsy jiro sy rano eto amintsika ary somary nandiso ny fanazavan’ny tale jeneralin’izany orinasa izany mihitsy moa ny tenany. Tsy tenenina intsony ny zava-nolalovana tamin’ny raharaha Razaimamonjy sy ny tariny. Ny azo lazaina dia miha rendrika ny sambo ao an-dapa ao. Fa hita ho rendrika koa ny fiainan-dramalagasy vokatr’izany satria inona moa no fampandrosoana ho vanona eo raha ny mpitondra mihitsy aza no hita ho tsy mifanaraka intsony ?

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT