Edito

Ho rendrika ny sambo !


  • Talata 18 Aprily 2017

Vita iny ny fankalazana ny fetin’ny paska ary hitodika any amin’ny resaka politika indray ny mason’ny rehetra.


Anisan’ny mbola hifantohan’ny sain’ny mpanara-baovao ny raharaha mikasika ilay mpandraharaha sady mpanolotsain’ny filoha voarohirohy tamina kolikoly avo lenta saingy nampandosirina. Tsy vita hatreo ny raharaha fa mety hiitatra na dia mihevitra aza ny fanjakana HVM fa ho vitavita mora foana izy ity. Manomboka mitombo ny tsindry amin’ny fanerena ny famerenana azy eto an-tanindrazana mba hizaka ny saziny. Manomboka mitombo ireo herivelona mamondrona hery hiady amin’ny tsimatimanota. Ao ny mety resy lahatra amin’ny hampanjakana ny tany tan-dalàna, ao ny mety ho mpanaty ran-kena hoy ny fitenenana, ary ao ihany koa ireo mety ho mpikarama an’ady sy mpitady vola amin’ny raharaha tahaka izao. Ny hita taratra dia mety tsy ho vita moramora toy ny efa nisy rehetra teo aloha ity raharaha ity. Tsy hijanona amin’ny resaka olona iray ihany ihany koa, fa hiitatra hatrany anaty lapa rehetra any, ary mety tsy ho afa-bela ihany koa ny lohany faratampony eto amin’ny firenena dia ny filoha, izay toa misitri-belona mihitsy ankehitriny. Mbola hiezaka hiantso fitoniana sa hiova fomba fiady, ka hitady hevitra hafa hamonoana ny afo ? Efa mitady ho rendrika ny sambo ka na ireo lohany milaza azy ho mafy ao anatin’ny HVM aza toa efa nipirina ihany koa. Efa mitady ny lalan-kitsoahana sy hanavotan-tena angamba dia ny tsy mbola rendrika ny sambo !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT