Edito

Ho olom-pirenena sa valalabemandry hatrany ?


  • Talata 24 Jolay 2018

Inoana sy antenaina fa raha mbola mponina eto Madagasikara ihany koa ka manana maso sy saina ahafahana mandinika ny zava-mitranga iainantsika ankehitriny dia samy mahatsikaritra avokoa ny zava-boizina eny an-drindrina sy haino aman-jery eny amin’izao fotoana izao raha politika no resahana.


 Ireo voakasika voalohany indrindra amin’ireny zava-miseho ireny dia azo antoka fa samy ho sahy handa daholo ny ankamaroany rehefa hanontaniana fa tsy fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana akory no tanterahiny ankehitriny fa fidinana ifotony tsotra fotsiny. Na heverina hoe tsy misy sazy voafaritra mazava ao anaty lalàmpanorenana sahaza ireo mangala-pihinana aza dia atao angamba fa matoa ny olona iray nanapa-kevitra ny hirotsaka hofidiana filoham-pirenena izany na koa mikasa ho tonga olom-panjakana ambony dia mba tokony hanana ny atao hoe foto-kevitra ijoroana sy ny etika sy deontolojia na fitaizam-panahy noraisiny. Matoa efa tafiditra ao anatin’ny sehatr’olona manana fahafahana hanao izany dia azo antoka fa tafiditra ao anatin’ireo sokajin’olona antsoina hoe tia karokaroka na koa manampahaizana, izany hoe, « intellectuel », hoy ireo nanjanaka antsika. Aiza ho aiza amin’ireo kandida sahy manatsara ny tenany ireo sahady re izany antsoina hoe fahafehezan-tenan’ny manan-tsaina na «  honnêteté intellectuel » izany e ? Efa miharihary izao fa fampielezan-kevitra mialoha no ataony kanefa dia mbola misy sahy mamita-bahoaka sahady ihany. Safidy ankoatra ny fandatsaham-bato kandida iray ho an’ny mponina eto Madagasikara ihany koa ny hoe ho olom-pirenena amin’izay ve isika amin’ity indray mitoraka ity sa mbola hijanona ho valalabemandry foana ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT