Raikitra ihany ny fihaonana famahana ny krizy malagasy izay hatao atsy Pretoria Afrika Atsimo, na teo aza ny fandrahonana tsy handeha nataon’i Andry Rajoelina sy ny resabe nataon’ny mpomba azy nialoha azy ity. Ala nenina ity, miandrandra vahaolana ny vahoaka. Hofaranana amin’ny fotoana haingana ny tetezamita hidirana any amin’ny Repoblika fahefatra, hoy i Andry Rajoelina teo am-piaingana teny Ivato omaly. Inona no hitranga raha tsy tratra izany tanjona izany, mandritra ity dinika any Afrika Atsimo ity ? I Andry Rajoelina izay manantena sy mihevitra fa sonia sisa no hatao any. Hiverina tanam-polo, ho main’ny afo natsangany ihany satria ho vaky barara eo ny tsy fahamarinan’ny zavatra nambara fa efa nilamina araka ny nambarany izany teo. Tsy hipetra-potsiny koa ny foloalindahy, izay efa nilaza fa handray andraikitra manoloana fahasahiranam-bahoaka.
Tsy hanan-tsafidy i Andry Rajoelina amin’ity. Ny Frantsay no hanavotra an’i zandry kely … fa efa nanameloka sy nanasazy an’i Andry Rajoelina ny SADC sy ny Vondrona Afrikanina, hoy i Manandafy. Ity fihaonana any Pretoria ity rahateo no fivoahana an’i Madagasikara voalohany nataon’i Andry Rajoelina taorian’ilay sazy navoakan’ny filankevitra momba ny fandriampahalemana sy ny filaminana eto anivon’ny Firaisambe Afrikanina, koa na io ho lakilen’ny fahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena ho an’ny governemanta mijoro eo sy ny fiverenan’ny famatsiam-bola na hampitoka-monina tanteraka an’i Madagasikara ary ahiana manaraka izany koa ny savoritaka izay mety hiafara amin’ny ady an-trano. Mety ho main’ny afo natsangany ihany i Andry Rajoelina sy Lafrantsa amin’ity dinika ity. Na izany aza miandrandra filaminana sy ny fifaranan’ny krizy amin’izay ny Malagasy, izay efa ela nihafiana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.